- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversHalatra fiara : Very teny Sabotsy Namehana, hita tany Ivato, voadaroka ny mpamily

Halatra fiara : Very teny Sabotsy Namehana, hita tany Ivato, voadaroka ny mpamily

Manana tetik’ady ratsy sy tsara petrapetraka tanteraka ireo olon-dratsy mpangalatra fiara. Efa vatany mantsy sisa ary efa niova ho « pièces détachées » no tra-tehaky ny pôlisin’ny misahana ny ady amin’ny heloka bevava, tany Ivato, raha mbola fiarakaretsaka mandeha tsara no very teny Sabotsy Namehana. Dimy lahy no tompon’antoka ary efa nosamborina avokoa ny faran’ny herinandro teo.

Raha ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena dia nitrangana halatra fiara tetsy Sabotsy Namehana ny voalohandohan’ny volana teo. Tsy vitan’ny halatra fa mbola niharan’ny herisetra ihany koa ilay mpamily ary torana tsy nahatsiaro tena. « Fiara Renault Super 5 izy io, ary manao Taxi, miasa eto an-drenivohitra. Araka ny filazan’ny mpamily dia teny Sabotsy Namehana izy no nisy telo lahy nanakana izay hotaterina eny Analakely. Rehefa nandeha elaela dia nokendain’izy ireo avy ao aoriana io mpamily io ary novelesin’izy ireo totohondry ka torana tsy nahatsiaro tena. Lasan’ireto jiolahy ireto ny fiara sy ny finday tany amin’ity mpamily ity » hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo mpikaroka fandikan-dalàna ary nanohy ny fikarohana sy ny famotorana entina hitadiavana ilay fiara very. Rehefa nizotra tamin’ny antsakany sy andavany izany dia hita teny Ivato ilay fiara, hoy hatrany ny pôlisy. Tsy niandry ela ihany koa fa dia nisy olona voasambotra tao anatin’izany. Dimy lahy izy ireo.  « Rehefa natao ny fakana am-bavany azy dimy lahy ireto dia fantatra fa ravaravain’izy ireo ny fiara ary amidiny ny « pièces » ary efa misy mandray izany pièce izany ».

Azo eritreretina ho efa tambazotra matanjaka mihitsy ity fangalarana fiara na môtô eto an-drenivohitra, satria dia saika mitovitovy tahak’izay avokoa ny fomba fiadin’izy ireo. Heverina fa mety hiafara hatrany amin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny atidoha ao ambadik’izany ny tohin’ny fanadihadiana. Izy dimy lahy ireto kosa, taorian’ny fakàna am-bavany azy dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana omaly.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici