Ny alina ny fiara mbola naterin’ny tompony soa aman-tsara teo amin’ny fitoerany, teo amin’ny “parking” iray etsy amin’ny 67ha toy ny mahazatra azy. Ny maraina izany, efa nanjavona teo amin’ny toerany izany. Raha ny filazan’ny tompony, tao anatin’ny fitoriana izay napetrany teo anivon’ny Brigade Criminelle etsy Anosy, dia nisy olona izay nanatona azy ary nilaza fa hividy ny fiara. Efa vita hatramin’ny adivarotra tamin’io andro io ary tapaka teo fa ny ampitso maraina no hanomezana ny vola ary koa hanaovana ny taratasy fifampivarotana. “Minibus” marika Toyota ilay fiara. Nazava hoazy raha notazonin’ny tompony tao anatin’ny fitoriany ireo olona roa; izay tsy mbola fantatra mazava ny momba azy ireo hatreo, satria izy ireo no nihaona taminy farany ary tsy vitan’izany fa mahakasika ny fiara ny resaka. Rehefa vita soa aman-tsara ny fihainoana ny tompon’ny fiara dia nanapa-kevitra ny polisy misahana ny fanadihadiana ny nanaparitaka ny sarin’ny fiara eran’ ny kaomisaria manerana ny Nosy. Nahitam-bokany izany, satria nisy tamin’ny olon’izy ireo no nahatsikaritra fiara mitovy izay nipetraka teo amin’ny fivarotan-tsolika iray tao Manakara. Avy hatrany, nangatahina ny taratasin’ny fiara dia tsy nisy na inona na inona azo natolotra. Notanana avy hatrany ny mpamily ary izy irery rahateo no tao anatin’io fiara io. Rehefa nampakarina taty An-drenivohitra izy ka nampifanatrehana tamin’ny tompon’ny fiara, dia voamarina fa izy ny iray tamin’ireo roa lahy izay niadivarotra ny fiara, ny omalin’ny tokony ho nividianana azy. Lehilahy efa nifonja izy io tamin’ny taona 2015. Mbola karohina fatratra kosa ilay namany; izay voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy, tamin’ny halatra fiara ity. Herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nisesy ny halatra fiara teto an-dRenivohitra ary ny tena tsy nampoizina, dia saika fiara avo lenta avokoa no nalain’ireo olon-dratsy. Hatreto, dia efa mba tafaverina tamin’ny tompon’ny ny sasany ary voasambotra ireo tompon’andraikitra tamin’izany.
D.R