Manodidina ny 5 hatramin’ny 10 isanandro ny fitarainana sy filazana finday very tonga eny amin’ny polisy isanandro. Manjaka ny fanendahana sy harom-paosy, araka izany. Ny ankamaroan’ny olona mitaraina eny amin’ny polisy, toy ny eny Analakely dia vehivavy avokoa. Eo amin’ny manodidina ny Pavillons iny no tena itrangan’ny fanendahana sy harom-paosy. Efa misy hatrany ny tratra saingy mamerin-keloka hatrany ireo olo-dratsy. Tranga iray nisehoan’izany fanendahana sady narahana halatra izany ny teny 67 Ha. Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisin’ny boriborintany fahafito noho ny resaka halatra bisikleta sy finday. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny Polisy ny alahady teo, noho ny fangalarana nihatra taminy, ny olona iray. Nanokatra fanadihadiana ny polisy nanoloana izany ka tratra ny andron’io ihany izy roa lahy ireo teo Andohatapenaka sy 67 Ha avaratra. Efa naverina any amin’ny tompony kosa ilay finday. Ilay bisikileta kosa dia mbola notazomina ao amin’ny biraon’ny polisy nanaovana fanamarinana. Natolotra ny fitsarana omaly 2 novambra izy roa lahy ireo.
Yv Sam