- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra gazoala an’ny Jirama : 15 « bindons » nangalarina tao anaty kamiao «citerne »

Halatra gazoala an’ny Jirama : 15 « bindons » nangalarina tao anaty kamiao «citerne »

Olona efatra no voasambotra nandritra ny fisafoana ny làlam-pirenena faha-32 mampitohy ny distrikan’i Befandriana Avaratra sy Mandritsara, izay notarihin’i ZFK1 Ramanamitsiry Rolland, kaomandin’ny borigady Befandriana Avaratra ny talata teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina dia nifanojo tamin’ny fiara vaventy « camion citerne » iray avy nanatitra gazoala tany Mandritsara izy ireo teo anelanelan’ny Ambodimotso Atsimo sy Binara, distrikan’i Befandriana Avaratra. Hita fa nampidina gasoil an-tsokosoko anaty bidons amin’ny 20 litatra miisa 15 ireo olona niaraka tamin’ilay kamiao. Nisy olona telo tao anaty bajaj izay namindrana ireo gasoil ireo ka nandositra ny iray raha vao nahatazana ny zandary. Tsy afaka niala ihany koa ny mpamily ilay « camion citerne » sy ny mpanampy azy. Tamin’izany no voasambotra teo no ho eo ny mpamily ny camion citerne sy ny mpanampy. Ireo mpamily Bajaj sy ny mpividy gazoala halatra. Nanondro olona ho tompon’ireo gazoala ireo izay nosamborina avy hatrany. Nogiazana ao amin’ny borigady Befandriana Avaratra ny « camion citerne » sy ny bajaj ary ireo gazoala anaty « bidons ». Natao andrimaso ireo olona dimy voasambotra. Nohamafisina ny fiambenana ny lakazera hisorohana ny fanararaotana mety hateraky ny hatezeram-bahoaka. Ny fakana am-bavany tsotsotra ireo mpangalatra no nahafantarana fa ny fatran’ny solika miloko manga izay natokana ho an’ny JIRAMA no nangalaran’izy ireo ireto 15 « bidons » ana 20 L ireto. Marihana fa tsy vao sambany no nitrangan’ny fangalarana gazoalan’ny JIRAMA toy izao, efa nisy ny tranga niseho tamin’ny volana avrily 2020 tao Mandritsara ary 1.000 L no very nandritra ny fotoana lavalava. « Etsy andaniny dia mijaly amin’ny fahatapahan-jiro matetika amin’izao fotoana izao ny distrikan’i Mandritsara sy Befandriana Avaratra noho io fanodinkodinana io nefa tokony ho ampy », hoy ny fanazavana. Misokatra ny fanadihadiana ?

 Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici