Fantatra ankehitriny, fa mpitandro ny filaminana ny iray tamin’ireo nosamborin’ny zandary rehefa voarohirohy ho tafiditra tao anatin’ny tambajotran’ny mpangalatra solika. Raha hiverenana kely dia nofotsian’izy ireo ny solika tao anatin’ny fiarabe izay mpanatontosa ny fotodrafitrasa napetraky ny Filoham-pirenena (projet présidentiel). Sarona teo am-panaovana ny asaratsiny ireo tambajotra raha hiverenana kely ary mbola nitsoaka aza rehefa nanontanian’ny zandary. Nifanenjehana teny amin’iny « by pass » ny fiara ary teo no nahasarona ilay mpitandro ny filaminana. Nidoboka am-ponja ny ankamaroan’ireo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ary miandry ny fitsarana azy.
D.R



