Olona telo no voasambotra momba ity raharaha ity. Moteran’ny sambo haingam-pandeha iray izay an’ny birao nasionaly misahana ny fandrindràna ny fahavoazana vokatry ny loza voajanahary no nalain’ireo olon-dratsy. Ny alin’ny 17 aprily no notontosain’ireo ny halatra. Ny solon-tenam-panjakana, dia ny sefo distrika izany no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy tao an-toerana. Nanomboka teo koa ny fanokafana fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany ny fisian’ny fiara iray izay nampiasaina ho fitaovam-pitaterana ny entana halatra. Mitondra ny marika Parsun ary manana hery 60 chevaux ilay motera very. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nosamborina ny tompon’ilay fiara nampiasain’ireo mpangalatra. Avy amin’ny fanadihadiana io olona io no nahazoana ireo mpangalatra hafa no sady mpiray tsikombakomba taminy. Telo no voasambotra tamin’ity raharaha halatra fananam-panjakana ity ary natolotra ny fampanoavana izy ireo ny asabotsy lasa teo.
D.R