- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra Iphone : Tratra tao anatin’ny adin’ny efatra ireo tontakely

Halatra Iphone : Tratra tao anatin’ny adin’ny efatra ireo tontakely

Hitan’ny GPS tanteraka ny toerana nisy ilay finday.

Nidona tamin’ny tolàna! Finday avo lenta an’ny mpandraharaha iray no lasan’ireo tontakely, izay efa hikoizana mihitsy teny amin’iny faritra Ambodiafontsy Ampitatafika iny, ny harivan’ny alakamisy lasa teo. Ora efatra monja taty aoriana dia noraisim-potsiny ireo olon-dratsy, teny an-tranony teny Tanjombato. Hanihanin’ireo mpisehatra anaty tambajotra sosialy ny hoe « ampianaro ihany ny zaza na dia hisoloky sy hangalatra aza ». Mety hafaliana tsy omby tratra ny an’izy ireo, raha nahafantatra fotsiny fa hoe miteti-bidy an-tapitrisa maromaro any ho any ity finday azon’izy ireo teny an-tanana mpandraharaha iray fanta-daza eo amin’ny lafiny informatika ity. Ny tsy tao an-tsain’izy ireo anefa, matoa lafo dia lafo dia azo lazaina fa efa hiaka farany eo amin’ny lafin’ny teknolojia sy fiarovana izany amin’ny halatra ihany koa anefa. Raha tokony ho tamin’ny valo ora sy fahefany alina tany ho any no nahavery azy, araka ny filazana nataon’ity tompon’ny finday very ity, ary nohamarin’ny zandary tetsy amin’ny tobim-paritra Fenoarivo, adim-pamantaranandro vitsy taty aoriana dia tratra teny am-pelan-tanan’izy ireo izany. « Lasan’izy ireo teny an-tananako ilay finday, raha iny nijanona teo amoron-dàlana iny aho. Tsy afaka nanenjika aho satria nisaoty tanimbary avy hatrany ry zalahy (…) Niainga daholo ny « traçage » rehetra ary narahina fa tsy hita mihitsy saingy mi-émettre signal foana le téléphone (…) Tampoka teo, nahazo « reseau » ilay telephone very ary tonga nandefa « signal » sy « coordonnées » tamin’ireo « appareil » tao an-trano ary avy dia nanondro toerana any Tanjombato » hoy ny fitantarany tao anatin’ny tambajotra sosialy, narahana horonan-tsary, toy ireny hita tamin’ny sarimihetsika na fanadihadiana ireny. Niara-niasa avy hatrany tamin’ny zandary teny an-toerana ny tompon’ity finday very ity ary namonjy avy hatrany ny toerana voalaza fa misy ilay finday, iny alina iny. Tsy nampoizin’ireto olon-dratsy tokoa ny fisian’ireo mpitandro filaminana izay efa nandondona ny tranony. Raha mbola niezaka nanafina hatrany kanjo naneno tampoka ilay finday, izay inoana fa tsy hain’izy ireo akory ny mikirakira azy. Noraisim-potsiny teo izy ireo niaraka tamin’ilay finday Iphone 12 Pro Max. Roa lahy izy ireo no voasambotra, izay niaiky ny heloka nataony ihany nony farany. Araka ny fanazana nomen’ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary avy etsy Fenoarivo, dia ry zalahy ireto no anisan’ireo mpanendaka raindahiny hikoizana sy nampitondra faisana tanteraka ireo mponina teny amin’iny faritra Ampitatafika, Malaza, Ambodiafontsy, Faliarivo sy ny manodidina iny. Notazonina natao famotorana sy andrimaso avy hatrany teny amin’ny biraon’ny zandary teny an-toerana moa ireto mpanendaka ireto ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici