Tsy nampoizin’ity tovolahy iray 26 taona, mpangalatra kojakojana fiara ny nifanenany tamin’ireo pôlisy mpanao fisafoana ny faran’ny herinandro teo, tetsy Namontana Anosibe. Mbola sarona teny aminy moa ny « culasse »na fiara iray, izay vao avy nangalariny teny an-toerana.
Amin’ny fomba ahoana ? Izay avokoa no nahavalalanina ny rehetra tamin’ity tranga ity. Raha hoe kojakoja ety ivelany mantsy, toy ny kodiarana sy ny sisa, na ireo ao anatiny mora alaina toy ny « batterie » sy ny « autoradio », mety azo saintsainina ihany fa ny an’ity tovolahy iray tetsy Namontana dia ny môtera mihitsy no nobatainy. Ny tapany ambony amin’ny môtera na ilay antsoina hoe « culasse ». Tsy vitsy amin’ireo tompona fiara eny amin’iny faritra iny tokoa no mitaraina fatratra ny amin’ny afitsok’ireto tontakely amin’ity halatra kojakojan’ny fiara ity. Saika lasibatra avokoa ireo fiara sendra tafapetraka amoron-dàlana ka tsy misy mpiambina. Teo anatrehan’ny zava-nisy sy ny fitairanana maro isan-karazany voarain’ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny dia nisy ny hetsika entin’izy ireo hamongorana ireo asa ratsy isan-karazany amin’izany faritra izany. « Tsy mikely soroka amin’ny fanamafisana ny fisafoana ireo faritra ao aminy » hoy ny fanazavàna. Nandritra izany fisafoana izany no nifanehatra tamina tovolahy iray niloloha bolongam-by mavesatra dia mavesatra ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, manao fisafoana, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any. Nosakanana avy hatrany ny tovolahy satria dia hita fa nampiahiahy tanteraka ary nosavaina sy nanontaniana mahakasika ity entana nentiny. Ankoatr’io moa dia fantatra fa mbola nahitàna fitaovam-piadiana sy zava-maranitra tany aminy. Nentina avy hatrany natao famotorana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa ingahirainy, izay fantatra fa isan’ireo mpangalatra kojakojam-piarakodia raindahiny eny amin’iny faritra iny. Eo am-panaovana ny fanadihadiana amin’izay tranga izay ireo tomponandraikitra. Heverina fa tsy ho ela ihany koa dia ho fantatra izay mpiray tsikombakomba aminy, na ireo mpaniraka na ireo mpandray entana halatra. Raha zavatra toa ireny mantsy dia heverina fa efa misy mpitady sy mpandray matoa sahy mandrava môtera iray mihitsy ireo mpangalatra.
m.L