- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra lakolosim-piangonana : Roalahy voasambotry ny zandary

Halatra lakolosim-piangonana : Roalahy voasambotry ny zandary

Nisy fotoana nampirongatra tanteraka ny halatra lakolosim-piangonana, ary nanaovan’ireo mpitandro filaminana hetsika manokana. Nangina tanteraka izany tato ho ato. Nihevitra araka izany ireto mpangalatra fa tsy hisy hahatsikaritra intsony ny asa ratsin’izy ireo ka handeha hitady mpividy milamina amin’izay  izy ireo. Tsy izay anefa ny zava-nitranga, rehefa saron’ny zandary ny fika maloton’ireto roalahy izay voasambotra soa aman-tsara, niaraka tamin’ny « entana ».

Anisan’ny lasibatra tamin’ireny resaka halatra lakolosim-piangonana ireny ny tao amin’ny fiangonana iray tao kaominina Amberomanga, distrikan’i Soavinandriana. Efa ho roa taona lasa izay no niseho ny halatra, saingy tsy nanao fampilazana zavatra very na nametraka fitoriana ny fiangonana, hoy ny teo anivon’ny zandary. Ilay lakolosy rahateo ihany koa efa noheverina fa tsy ho hita intsony. Kanjo, andro vitsy lasa izay, very ka hita indray ilay lakolosy.

Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, nisy nampilaza izy ireo fa misy olona mampiahiahy, milanja zavatra mavesatra anaty gony mikasa ny hampiondrana zavatra ho any Soavinandriana. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo zandary, nanao ny velam-pandrika ary hita sy voasambotra soa aman-tsara ny roalahy, nilanja izany entana izany. Rehefa nosavaina dia fantatra fa lakolosim-piangonana ny tao anatiny. Nataon’izy ireo tsara afina tokoa ilay entana halatra nandritry ny roa taona teo ho eo, ary izao vao navoaka hitadiavana mpividy, hoy hatrany ny vaovao. Kanefa dia izao nandamoka sy tratra izao.

Efa naverina tamin’ny tompony moa ilay lakolosy. Ireo roalahy kosa, notanana natao andrimaso, teny amin’ny biraon’ny zandary tao Amparaky, mialoha ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici