Aiza ny sampana fitsikilovan’ny fanjakana? Efa manenika ny firenena ankehitriny ny halatra lakolosim-piangonana, mbola tsy fantampantatra hatrany ny tomponandraikitra ao ambadik’izany ary toa lasa toy ny asan-jiolahy rehetra izay mahazatra aza. Mitaraina ny fiangonana maro ary mazava hoazy fa sorena koa ny mpiangona saingy tsy afa-manoatra. Ny tilikambo maro dia nanapa-kevitry ny nanala avy hatrany ny lakolosony satria tena nisesy loatra ny halatra mahakasika izany tao anatin’ny volana vitsivitsy izay. Tsy haondrana amin’iny izy mivaingana be iny akory ny lakolosy fa tsy maintsy hatsonika aloha ka ny akora izay ilaina ao anatiny no mandeha aorian’izay, raha ny tombana. Midika izany fa tsy maintsy eto an-toerana ihany ny “fikarakarana” voalohany ireo lakolosy. Hatreto anefa na teo aza ny fitarainana maro dia tsy mbola nisy fanadihadiana mivaingana mba mizotra mankany amin’izay tambajotra sy atidoha mikotrika izany. Ny mpanatsonika vy indray dia tsy misy afa-tsy ireny “fonderie” ireny ihany no manana fitaovana harifomba afaka manao izany. Tsy misy afa-tsy eto an-drenivohitra ihany koa anefa no misy ireny. Dia inona ny olana amin’ny fanaraha-maso azy ireny, raha izay no mety ho vahaolana amin’ity loza mianjady amin’ny fiangonana maro ity? Tsy vao izao rahateo ny halatra vy no nitranga kanefa dia tsy mbola nisy fanadihadiana izay nanazava ny sain’ny olona ny amin’izay mety hanaovana azy sy izay ao ambadiny. Toa ny taolam-paty sy ny vono olona etsy sy eroa ihany, toa lasa raharaha mahazatra henoina mba tsy hitenenana hoe toy ny hoe ara-dalàna ny fisiany eo amin’ny fiarahamonina…
D.R