Mbola mitana ny sain’ny mponina ao Maroantsetra ny raharaha mahakasika ilay halatra lakolosy nitranga tao amin’ny kaominina Voloina, izay nahavery ny lakolosin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) tany an-toerana ny volana aprily lasa teo, izay mitondra ny marika “Repoblika Frantsay (R.F)”. Taorian’ny fitorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teo anivon’ny zandary Maroantsera, sy nisian’ny fikarohana ireo mety nahavanona ity halatra lakolosin’ny sekoly EPP ity, ka sarona ambodiomby tao an-tranon’ny ben’ny tanàna ilay lakolosin’ny sekoly very. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha na efa saika raikitra aza ny fitsaram-bahoaka tamin’ity ben’ny tanàna, saingy mbola ny fiarany iray sy ny môtô roa no may kila nodoran’ny fokonolona; fa nihitatra tamin’olon-kafa tsy nampoizina ny raharaha. Raha ny vaovao mari-pototra voaray avy any an-toerana dia namoahan’ny fitsarana fiandrasana am-ponja vonjimaika avokoa, ny ben’ny tanàna sy ny lefiny roa ao amin’ny kaominina Voloina; toraka izany koa ny talen’ny EPP any an-toerana; ary ny lehiben’ny “ZAP” ao Voloina, izay voalaza fa mpiray tsikombakomba sy tompon’antoka avokoa tamin’ny halatra lakolosy izao. Ny hany nohafahan’ny fampanoavana alohan’ny fitsarana ny raharaha dia ny delegen’ny kaominin’i Voloina ihany. Ankoatra izay dia nandefasan’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina ekipa ihany koa any an-toerana mandamina ny raharaha, noho mbola tsy filaminana misy amin’ny fahatezeran’ny fokonolona mikasa hatrany hanao amin’ny fitsaram-bahoaka. Milamindamin-dratsy ny tananan’i Voloina hatreto.
Malala Didier