Nitrangana halatra lavanilina tao amin’ny distrikan’i Fenerivo atsinanana, ny fiandohan’ny volana jona teo. Milanja 85kg ity lavanilina mbola maitso nisy nangalatra am-potony tratra ity ; izay nisy ny vavolombelona tamin’izany ary nisy mpandraharaha tany an-toerana nividy izany lavanilina halatra izany. Tsy mbola fotoam-piotazana na fivarotana lavanilina any an-toerana amin’izao, ka nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana nisahana ny raharaha na milaza ho mahalala olom-panjakana sy mpitsara ireo olona voasambotra. Nivadika anefa ny raharaha ankehitriny, satria lasa nivadika vono olona indray ny raharaha amin’izao, noho ilay vavolombelona maty nisy namono tamina poizina. Vokany ilay tantsaha tompona lavanilina indray no voarohirohy ho namono olona amin’izao raharaha lavanilina halatra izao ka nampakarina fitsarana tao Fenerivo atsinanana ; izay efa manana fitsarana ambaratonga voalohany ankehitriny. Miteraka olana ara-piarahamonina ny raharaha izao, satria ilay mpandraharaha nividy halatra sy ireo mpangalatra indray no voalaza fa tsy manana ahiahy amin’izao raharaha halatra lavanilina izao, fa ilay tantsaha tompon’ny lavanilina nisy nangalatra indray no misy mitetika hampiditra am-ponja any an-toerana.
Malala Didier