- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra lavanilina tao Loharaindava Brickaville : Zandary am-perinasa mpiray tendro amin’ireo mpangalatra

Halatra lavanilina tao Loharaindava Brickaville : Zandary am-perinasa mpiray tendro amin’ireo mpangalatra

Tratra ambodiomby niaraka tamina lavanilina halatra milanja 62kg ; izay novidiany tamin’ireo mpangalatra ity tovolahy iray mipetraka ao Antsampanana lalam-pirenena faharoa. Sarona niaraka taminy koa ity zandary am-perinasa izay voalazan’ny fokonolona tany an-toerana, fa komandan’ny sakeliky ny zandary ao Loharaindava, tamin’ny fiarovana ireo mpividy halatra sy mpiaro ny mpangalatra ary mpanao kolikoly mikasika ireo lavanilina tsy ara-dalana.

Tao anatin’ny dimy taona teo, dia tsy nihanona tamin’ny fambolena akondro sy mananasy ary sakamalaho intsony izany tena nahafantarana azy ny any Loharaindava sy Andekaleka ao amin’ny distrikan’i Brickaville, fa nanitatra ny fihariany ireo tantsaha. Niofana sy nianatra momba ny fambolena lavanilina izy ireo ary efa miroso amin’izany tao anatin’izay dimy taona izany. Tao anatin’ny telo taona anefa, dia misy mangalatra saika isan-taona ny vokatr’ ireo tantsaha ireo. Saingy tamin’ity taona ity izany vao tena nihamafy, satria raha tombanana ho 300kg eo ny lavanilina maitso nisy nangalatra teny an-tsaha ho an’ireo mpamboly tao anatin’ny iray volana monja. Raha ny fanazavan’ny tantsaha hatrany, dia ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny zandary any an-toerana sy ireo mpangalatra ary ireo mpividy halatra no tena mamono antoka azy ireo isan-taona. Voalazan’ny vaovao nangonina sy nohamarinin’ity mpividy halatra tratra ity hatrany, fa 40.000 ariary no fividianan’ireo mpividy halatra izany, ka ny volana jolay hisokafan’ny taom-piotazana lavanilina ny fandoavana ny vidiny amin’ireo mpangalatra lavanilina.

Araka ny làlana mifehy ny seha-pihariana lavinilina Malagasy, dia izay vokatra tratra misy mioty sy mivarotra na tompony aza no manao izany ka tsy ao anatin’ny fotoam-piotazana lavanilina, dia ny fanapotehana sy ny fandorana ireo lavanilina halatra avy hatrany no ataon’ireo mpitandro ny filaminana mahatratra izany; izay hatrehan’ny komity ny lavanilina maso. Tahaka izany no natao teo anivon’ny kaompanian’ ny zandary teto Toamasina, omaly misandratr’andro.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici