- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra moto eto Toamasina : Rava ny tamban-jotra, olona roa voasambotra…

Halatra moto eto Toamasina : Rava ny tamban-jotra, olona roa voasambotra…

Nahita vokatra ny zandary sy polisy niaraka izay tranga niseho tao amin’ny Cité Haras; moto halatra cygnus phase 4 no tratra tamin’izany niaraka tamin’ireo roa lahy isan’ny nangalatra izany. Nitarika ny fivoahan’ny tsiambaratelo maro ny fahatrarana azy roa lahy ireto hoy ny zandary sy ny polisy; koa fantatra tamin’izany fa hafa ny mpangalatra misy kosa ireo mpivarotra ny entana avy eo, ka misy ihany koa ny mpanova ny endriny sy lokony. Fantatra nandritra izany koa fa misy toeram-piantsonan’ny fiara ao Tanambao V ny fametrahana ireo moto halatra, sady io toerana io ihany koa ny manova ny laharana amin’ny motera. Olona roa no sarona tamin’ity toerana ity, ka efa manana ny fitaovana manokana amin’ny fanovana ny laharan’ny motera sy manova tanteraka ny lokon’ilay moto halatra; moto halatra miisa sivy no mbola tratra tao an-toerana nandritra ny fisavana sy ny fisamborana. Nanamafy ny tonia mpampanoa lalana Toamasina, Vahiny Yvi Sandro, fa tsy maintsy fongorina hatramin’ny fakany ny tamban-jotra mpangalatra moto eto Toamasina. Fantatra tamin’ny fanazavana koa fa misy amin’ireo moto halatra eto Toamasina ny ovaina ka amidy eto ihany; misy koa ireo alefa any Taolagnaro sy Maroantsetra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici