- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra moto : Nisy nitondra basy ireo olon-dratsy

Halatra moto : Nisy nitondra basy ireo olon-dratsy

Raha noheverina ho toay ny hala-botry tany aloha kely ny halatra kodiaran-droa mipetraka ao an-tranon’olona, na koa eo an-tokotany, izao kosa dia tonga hatramin’ny fampiasàna basy ny fanaon’ireo olon-dratsy. Manodidina an’Ambohipo, 67ha ary Mandroseza no toeram-pamatrarana ireo entana halatra. Tsy ela dia efa miova ny tarehin’ny moto, satria sady soloina ny ao anatiny no lokoina. Zara raha mipetraka tapak’andro, araka izany, dia efa tsy fantatry ny tompony intsony ny fananany fa miova endrika tanteraka. Alefa eny amin’ny varotra amin’izay ary mivadika ho vola. « Lehilahy valo no voasambotra ary moto halatra fito no tra-tehaka teny amin’izy ireo », raha araka ny fanazavan’ny polisy nanao hetsika fikarohana ny mpanao ratsy amin’ny halatra kodiaran-droa. Mbola misy amin’ireo koa ny voarohirohy amin’ny resaka famakiana trano, raha araka ny fanampim-baovao. Irarian’ny olona, indrindra fa ireo efa very moto, ny mba handehanan’ny fanadihadiana amin’ny lalindalina kokoa, satria mirongatra loatra ny halatra kodiaran-droa. Tsara ny mba hamongorana tanteraka ny tambajotra : ny mpangalatra, ny mpanova ny endriky ny fitaovana halatra, ny mpivarotra ary hatramin’ny mpandray halatra aza. Mirongatra loatra izany eto an-drenivohitra ary mila arahina ny tambajotra satria toa lasa mora loatra ny fanantontosàna ny asaratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici