- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra moto : Tonga hatrany Sakaraha ny jiolahy

Halatra moto : Tonga hatrany Sakaraha ny jiolahy

Teo am-pivarotana ilay moto halatra mitondra ny marika X-May (150cc) no voasambotra izy roa lahy. Mbola tsy ampy taona ny iray tamin’ireo. « Nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Sakaraha mikasika ny fisian’olona mikasa hivarotra moto halatra. Nandeha ny fanaraha-maso sy ny asa fitsikilovana ary tratra ambodiomby ireo tompon’andraikitra, 17 taona sy 27 taona, raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Nivoaka nandritra ny fanadihadiana fa teratany vahiny mipetraka ao Mangily-Toliara no tompon’ny kodiaran-droa nangalarina. Nilaza ihany koa izy ireo fa mbola misy olona telo hafa niray tsikombakomba tamin’ny fanatanterahana ny asaratsy. Karohina izy ireo ankehitrin. Nidoboka am-ponja kosa ireo roa lahy izay efa voasambotra rehefa natolotra ny fampanoavana omaly. Mitety faritra ary tonga lavitra ny mpangalatra moto raha jerena amin’ity tranga ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici