- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra omby any Atsimo : Tafakatra roa alina ny very, folo ny...

Halatra omby any Atsimo : Tafakatra roa alina ny very, folo ny zandary maty

Hatramin’ny fiandohan’ny taona no mankaty dia nahatratra 497 teo ho eo ny isan’ireo trangana halatra omby nisy tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Nahatratra teo amin’ny 19695 kosa ny omby very raha ny 10181 tamin’izany no naverina tamin’ny tompony. Nandritra izany dia zandary folo no maty, raha ny tany Fianarantsoa sy Toliara fotsiny no lazaina, 36 kosa ireo olona namoy ny ainy, raha ny filazan’ny lehiben’ny Cirgn Fianarantsoa, ny Kol. Serge Gélé, omaly. Nanjavona tsy hita popoka araka io isa eo ambony ny omby sivy arivo mahery. Raha ny filazan’ny lehiben’ny Cirgn Fianarantsoa, ny Kol. Serge Gélé, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, dia tsy aiza akory ireo omby tsy hita ireo fa mivezivezy eto Madagasikara ihany fa tsy niampita ranomasina. Fantatra izany, hoy izy, raha ny fanadihadiana nataonay no jerena. Araka io fanadihadiana io tokoa dia ny dahalo ambony latabatra indray no manohy ny asa fangalarana amin’ny alàlan’ny fanadiovana ny omby. Ary izy io dia efa tambajotra matanjaka mihitsy, raha ny tatitra nataony hatrany. Maro amin’ireo taratasin’omby mivezivezy any an-toerana no tsy ara-dalàna mihitsy, izay midika avy hatrany fa misy omby halatra, amidy eny an-tsena sy mivezivezy amin’iny lalam-pirenena iny. Tamin’iny herinandro iny fotsiny dia efa maro ny omby nampidirina « fourrière », noho ny tsy mahatomombana ireo taratasy. Voatondro ho ao anatin’io tambanjotra io ireo « délégué » sy « vétérinaire », izay efa nisy tamin’izy ireo no niantefan’ny fanadihadiana. « Azo arahina tsara ny taratasin’omby, satria misy ny toromarika rehetra mikasika ny omby, ny toerana nialàny, ny tompony, sns. Ary ny Fib (fiche individuel de bovin), izay miainga amin’ny tranom-printy nasionaly, dia voatondro ho ana faritra iray. Ny mahagaga anefa dia matetika tsy tonga any any amin’ilay faritra tokony ho azy ilay izy, fa mipitika eny an-dàlana » hoy hatrany ny fanazavany. Eo anatrehan’ity hosoka sy fanadiovana taratasin’omby ity, dia nisy ny fampiofanana nataon’ireo Kômandin’ny vondron-tobi-pileovana tsirairay, entina hampahafantarana io fomba fangalarana omby ambony latabatra io, omaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser