- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra omby ao Bongolava : Misy delegem-panjakana sy sefo fokontany nosamborina

Halatra omby ao Bongolava : Misy delegem-panjakana sy sefo fokontany nosamborina

Mafampana ny toe-draharaha ao amin’ny faritra Bongolava ao. Rehefa ela nanginanana mantsy ireo mpisehatra amin’ny resaka omby, na mpiompy io na mpivarotra, dia maro izy ireo no mijoro ary mivondrona anaty fikambanana antsoina hoe FimpiOmby, na fikambanan’ny mpiompy omby, milaza ireo lesoka tsy mety amin’ity resaka asan-dahalo sy halatra omby ity. Amin’izao dia fantatra, noho ny hetsika nataon’izy ireo, miara-miasa amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana fa olona valo, tompon’andraikitra amin’ny resaka famotsiana taratasin’omby halatra no nosamborina tany an-toerana, ny volana novambra lasa teo. Nahitàna delegem-panjakana sy sefo fokontany tao anatin’ireto olona ireto, raha ny fanazavana azo. “Ekena fa manao ny asany tokoa ny fanjakana any an-toerana amin’ity ady amin’ny resaka asan-dahalo sy halatra omby ity. Kanefa izahay mahita fa raha tsy ireo dahalo ambony labatatra, na ireo mpamotsy omby halatra no fongotra dia tsy ho foana mihitsy ity halatra omby ity”, hoy ny tenin’Atoa Randimbielison William, na Rawily, filohan’ny Fimpiomby. Amin’izay lafiny izay indrindra, dia nampiaka-peo tanteraka ireto fikambanan’ny mpiompy omby ireto. Saika ao amin’ny faritra Bongolava ao avokoa mantsy no entina diovina sy omena taratasin’omby na FIB ireo omby halatra aman’arivony, avy amin’ny faritra maro eto amintsika. “Manaporofo izany, hoy ity fikambanana ity, ny nahatraratrarana omby am-polony teny amin’ny tsenan’omby teny Mahitsy. Omby izay very tany Betsipolitra, faritra Menabe, kanefa nahazo FIB ara-dalana tany Bongolava. Rehefa nofotorana lalina ny raharaha dia io tonga tamin’ny fisamborana olona valo io ka delegem-panjakana sy sefo fokontany no voarohirohy ao anatiny. Izany hoe misy tambajotra iray lehibe ity famotsiana taratasin’omby halatra ity, ary misy olom-panjakana tafiditra ao anatiny”. Tranga iray fotsiny iny fa efa maro dia maro, ary tsy tambo isaina ny tranga toy izany, hoy izy ireo. Marihana fa mametraka fanamby ny hanafoana ny asan-dahalo sy halatra omby ao anatin’ny 48 andro ity fikambanana ity, raha voafehy ity resaka famotsiana taratasin’omby halatra ity, miainga hatrany amin’ny lohany. Vao enim-bolana teo izay no nijoroany kanefa dia efa izao nisy vokatra izao sahady. Mpisehatra amin’ny resaka omby manodidina ny 13.000 no mivondrona ao anatiny ary miparitaka amin’ny toerana maro eto amintsika. Ao Bongolava no tena maro an’isa amin’izany, raha ny fanazavàna azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici