- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra omby : Dahalo 15 matin’ny zandary

Halatra omby : Dahalo 15 matin’ny zandary

Tena mirehareha tokoa sy manjakazaka ny dahalo mpangatra omby any amin’ny faritr’i Vangaindrano iny. Tsy manaiky an’izany anefa ny mponina ary manohitra araka izay tratry ny heriny. Etsy andaniny, mitondra fanampiana ho azy ireo ny zandary any an-toerana. Nisy ny fifanandrinana ka fantatra taorian’izany fa nisy fokonolona roa maty, telo hafa (vehivavy sy zaza) nataon’ireo dahalo takalon’aina.  Taorian’ny fifampitifirana dia fantatra araka ny loharanom-baovao fa lavo ihany koa ny dahalo miisa hatrany amin’ny 15. Maty avokoa izy ireo. Ny faha-6 febroary tamin’ny 10 ora maraina no tonga nanao be fiditra ny andian-jiolahy voalaza fa mahatratra hatrany amin’ny 100 any. Tonga hangalatra omby izy ireo. Nahazo maro ry zalahy tamin’izany. Nanao ny fanarahan-dia ny mponina. Tamin’izay no nahafaty ireo fokolona roa; nampandrenesina ny zandary avy ao Vangaindrano ary nanao hetsika goavana. Zandary 27 no nalefa niambina ny kizo ao Bevao, Ampototra, namahora, any ambanivohitr’i Ranomena sy Ambongo. Io hariva io ihany koa dia nitarika nanampy an’ireo efa tany an-toerana ny komandà avy ao Vangaindrano nanatevina ireo zandary folo hafa avy any Farafangana. Tany ambanivohitra Ampoka no nahery vaika ny fifandonana ka tamin’izany no nahafty an’ireo jiolahy 15 ireo. tafaverina ny omby miisa 100. Tamin’ity indray mandeha ity, tsy nisy ny naratra teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser