- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra omby : Mitombo isa ireo dahalo milavo lefona

Halatra omby : Mitombo isa ireo dahalo milavo lefona

Manao ezaka hatrany ny eny anivon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny lafiny fitandroana ny filamanana, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.  “Betsaka ny vita nefa mbola betsaka ihany koa ny miandry”, raha ny nambaran’ny  Kolonely Rakotoarisoa Anthony, tompon’andraikitra eny an-toerana. Mihamitombo isa hatrany ny dahalo milavo lefona, hoy izy. Tao amin’ny distrikan’i Befotaka Atsimo, ao amin’ny faritra atsimo Atsinanana, ohatra, dia fianakaviana iray tsy lavitra an’i Remenabila no nanatitra basy roa karazany teny anivon’ny zandarimariam-pirenena. Araka ny vaovao voaray dia mbola maro ihany anefa ireo basy miparitaka amin’izao fotoana izao. Any amin’ny faritra hafa moa dia mbola misy ihany ny halatra omby. Mizara ho any ambanivohitra sy ety an-drenivohitra manakaiky ireo tantsaha sy mpamboly ary ireo mpiompy hanao ny asany ireo mpitandro ny filamanana.

Ornella A.(Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser