Ny alatsinainy 07 septambra teo tokony tamin’ny 09ora maraina dia cyber-café iray tao Fenerivo atsinanana no lasibatry ny halatra solosaina nataon’ity mpanjifa tao aminy. Solosaina an’ny mpanjifa hamboarina no nisy nangalatra raha variana ny tao anaty cyber-café. Maro rahateo ny asa nosahaininy nandritra ny zava-nitranga ka tsy tsikaritr’ilay tompon’ny cyber ny zava-drehetra raha tsy efa tamin’ny 11ora antoandro. Tsikaritr’ilay tompon’ny cyber ihany anefa fa nisy tovovavy niasa teo amin’ilay solosaina teo akaikin’ilay very ity, ka tany no nalehan’ny eritreriny. Natao ny fanadihadiana nandritra ny zava-niseho fa tsy hita mihitsy ilay tovovavy, saingy raha nojerena ilay solosaina nampiasainy tamin’ny asa nataony, dia mbola tavela teo ny kaontiny rehetra. Maro nahafatatra ilay kaonty sy ireo olna tao anatin’ilay kaonty ka ireny ihany no nanaovana fanadihadiana, izay mponina ao Fenerivo atsinanana ihany ny ankamaroany. Nataon’ny polisy ny vela-pandrika ny antoandron’ny talata 08 esptambra teo ka tovovavy iray monina ao Sahavola no nahavanona ilay halatra. Nanondro avy hatrany ny olona namarotany azy ilay tovovavy raha vao tratra, ka namidiny 150.000 ariary ilay solosaina entin-tanana. Nandritra ny fanadihadiana ity tovovavy ity koa no nahalalana fa efa nisazy noho ny resaka halatra koa izy taona vitsivitsy lasa izay. Mponina ao Mahavelona Foulpointe sy Antananarivo ity tovovavy ity, saingy mandalo fotsiny ny ataony ao Fenerivo atsinanana. Tsy nifarana hatreo anefa ny olan’ity tovovavy 26 taona efa nifonja noho hala-botry fanaony ity, fa ny andron’ny Talata io ihany koa dia nisy mpivarotra nitory azy ho nangalatra vola 500.000 ariary koa tao Fenerivo atsinanana tao, ka raharaha hafa mbola miandry azy koa izany ankehitriny.
Malala Didier