- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra sy fisolokiana : Tompon’ny « agence de voyage » iray nosamborina

Halatra sy fisolokiana : Tompon’ny « agence de voyage » iray nosamborina

Varotra fiara « Grand Starex » fanindroany miisa dimy tamin’ny vidiny 50 tapitrisa ariary, izay tsy nisy fieràna tamin’ny tompony no nanenjehana ity lehilahy, tompona « agence de voyage » iray eto an-drenivohitra ity. Raha ny tantara araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny pôlisy dia, tany ho any amin’ny volana desambra lasa tany dia nivarotra iretsy fiara voalaza etsy ambony ireny ity lehilahy ity. Dimampolo tapitrisa ariary ny vidin’iray tamin’izany. Lafo avokoa izy ireo, olona iray no nividy ny telo ary iray hafa no nividy ny roa ambiny. Amin’ny tompona « agence de voyage » azy anefa dia nandresy lahatra ireto mpividy ny fiarany ingahirainy ny hanajanona ireto fiara ireto ao aminy, hofainy amin’ireo vao avy nividy azy izany, mazava ho azy. Nanaiky ny fifanarahana ireo tompon’ny fiara vaovao ka fantatra fa 1,500,000 ariary isam-bolana no hofany. Nanomboka ny volana aprily lasa teo anefa, raha ny fanomezam-baovao hatrany dia tsy naharay intsony ny hofan’ireto fiara ireto ireo olona nivarotan’ity mpandraharaha be vinany ity azy ireo. Nanapa-kevitra araka izany ireto farany ny haka ny fiarany, kanjo tsy hita tany nanjavonana intsony ingahy tompon’ny orinasa. Tokony ho iray volana lasa izay no nanapa-kevitra ny hitory ireo olona mahatsiaro ho voambaka, teny anivon’ny kaomisarin’ny boriborintany voalohany. Natao avy hatrany fikarohana, ka ny herinandro lasa teo no noraisim-potsiny teny Andrefan’Ambohijanahary ity mpisoloky ity. Tamin’ny fanadihadiana azy no nahafantarana fa naveriny namidy tamin’olon-kafa indray ireto fiara dimy ireto ary noreseny lahatra hampanofa ny fiarany ao aminy indray ihany koa ity olona ity. Iray volana ihany anefa no nanefany izany hofany dia iny indray no tsy hita ingahirainy. Fivadim-pitokisana, fisolokiana avo lenta, ireo no vesatra nanenjehana ity mpandraharaha ity araka izany. Nanapa-kevitra avy hatrany ny hampidoboka azy am-ponja moa ny mpitsara mpanao famotorana tamin’ny fanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro lasa teo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici