
Lehilahy iray antsoina Victorien Joseph Esoael, antsoina hoe Soaly no karohin’ny pôlisy fatratra amin’izao fotoana izao, noho ny resaka fivadiham-pitokisana. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny polisy sy ny fianakaviana dia nitsoaka niaraka tamin’ny vola mitentina eo amin’ny 70 tapitrisa ariary latsaka teo ho eo ity farany. Vola izay an’ny fianakaviana iray nipetrahany sy nandray azy tao Analamahitsy, ary nokasaina halefa any ivelany, hitsaboana olona marary. Ny 27 martsa lasa teo no nitranga ity fangalarana ity araka ny fantatra hatrany, ary nanomboka teo no tsy hita tany nanjavonana intsony ity lehilahy ity. « Fanaonay silamo ny miantra olona ao anatin’ny sarotra ary efa noraisinay ho isan’ny fianakaviana mihitsy i Soaly. Tena natokisana tokoa nandritra izay telo taona nandrasainay azy izay. Nifampizara ny fiainany rehetra tao an-trano ary mahafantatra ny resa-bola rehetra tao an-trano ». Araka izany, fantany tsara ny fisian’io volabe io tao an-trano tamin’izay fotoana izay. « Nandrasany ho tsy nisy olona tao aminay no nanararaotra naka ilay vola izy ary nitsoaka nony avy eo ». Satria betsaka ilay ravim-bola dia tsy nahatondra afa-tsy izay ity lehilahy tamin’io fotoana io. Mbola tavela tao an-trano avokoa araka izany ny entany rehetra, izay « rehefa nosavaina dia nahitàna rongony sy fanafody gasy » hoy hatrany ny solon-tenan’ireto fianakaviana ireto. Ny ampitson’io no nampandre ny pôlisy sy nametraka fitoriana. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny pôlisin’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy ary namoaka taratasy fampikarohana amin’ny anaran’ity lehilahy ity, ny herinandro teo. Voarakitr’ity fampikarohana ity fa 22 taona ny lehilahy, tsy fantatry ny rainy saingy izany Rasoarivelo Théonie Shela izany no reniny, ary tao amin’ny lot IPA 271 bis Anosimasina no toerana nipetrahany farany fantatra. Araka izany, iangaviana izay olona mety mahita azy mba hampilaza avy hatrany ny pôlisin’ny boriborintany fahavalo na hiantso ny laharana 0340599841/0340599842. Efa naparitaka maneran’ireo biraon’ny mpitandro filaminana manerana ny nosy moa ity taratasy fampikarohana ity. Nanamarika ihany koa tetsy andanin’izay moa ny fianakaviana fa « omen’izy ireo valisoa izay mahita azy ».
m.L