- Publicité -
lundi, novembre 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra tany ao Belambo Toamasina II : Fikambanana “Fangnako”, karohan’ny fitsarana...

Halatra tany ao Belambo Toamasina II : Fikambanana “Fangnako”, karohan’ny fitsarana ny mpitarika azy

Taorian’ny raharaham-pitsarana mikasika ny raharaha tany manan-tompo nidiran’ andian’olona nentin’ny fikambanana “fangnako”, ka nahazoan’izy ireo mpitarika izany fahafahana madiodio teo anivon’ny fitsarana, izay nahatonga ny tompon-tany hampiakatra fitsarana ambony, dia miverina indray ireto andian’olona ireto ka nahatonga ny tompon-tany nametraka mpiambina ny fananany.

Tsy tanina voanjo izany ny tanin’ny olona arovanay fa novidiana ara-dalana tamin’ny tompon’ny tany izay mpandova, tahaka ireo olona sy orinasa 36 teo alohany, satria izy no faha-37 nividy ampahan-tany tamin’ity tany ity. Ara-dalana ny taratasy rehetra ary efa enin-taona lasa, ny taona 2010, no nividianana izany…” hoy ny mpisolovava ny tompon-tany, ny Me Totovelona Norbert. Nomarihany hatrany, fa fifanarahana ara-barotra teo amin’ny samy olon-tsotra sy samy malagasy no zava-nisy tamin’izao raharaha izao. Raha ny fanazavana nataon’ireo mpisolovavan’ny mpividy sy ny mpivarotra hatrany, dia fikambanana tsy ara-dalana ny “fangnako” nefa sahy maka vola 20.000 ariary isaky ny “lots” efa nofaritan’izy ireo manokana amin’ireo andian’olona entiny. Voalaza ihany koa fa olona manana didy fikarohana azy eo anivon’ny fitsarana ny milaza ho filoha lefitr’ity fikambanana “fangnako” ity noho izy nitsoaka raha tokony hiakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny 27 novambra.

Ankoatra izany, dia tany mbola tsy misy mipetraka ity toerana ity ka tsy marina hoy ireto mpisolovava ireto ny filazana fa noroahan’ny mpitandro filaminana tamin-kery ireo olona 6.000 tao ka tsy manan-kialofana. Tantara mbola hitohy ity raharaha ity, satria ny fikambanana “fangnako” mihevitra haka ny tany nakany vola 20.000 ariary isaky ny olona, ny tompon-tany koa miaro ny fananany, satria efa vonona ny mpiara-miasa aminy hanao fandraharaha eo amboniny, ny taona ho avy io araka ny filazany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici