Mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ilay resaka halatra “coffre” niseho tao amin’ny toeram-pisakafoana Planète, etsy Ambohijatovo. Fantatra ary fa nisy olona telo hafa indray nosamborin’ny mpitandro filaminana ary nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana omaly. Taorian’ny fihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo dia samy naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo. Mbola tsy mijanona hatreo anefa, raha ny fampitam-baovao azo hatrany fa mbola misy olona iray mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpangalatra, karohina amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa ny voalohan-dohan’ny volana desambra lasa teo no nitranga ity fandrobana tetsy Ambohijatovo ity. Lasa tamin’izany ny volabe manodidina ny 40 tapitrisa ariary, izay tao anaty “coffre”. Tsy nisy nahita ny nanaovan-dry zalahy izany “operation” izany, raha ny fitantaran’ny iray tamin’ireo mpiasa taminay. Izy ireo, tonga maraina handeha hiasa no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao an-toerana. “Tsy hita ny mpiambina, izay tokony hamaha ny varavarana avy ao anatiny, hoy hatrany ny fanazavana tamin’izany. Tamin’izany no voatery nanapitsoka varavarana izahay, ka tamin’izay no nahita fa tsy tao intsony ilay “coffre”. Marihiana fa olona telo no efa voasambotra tany am-boalohany ka anisan’izany ireo mpiambina sy olona iray. Ary hatreto dia olona enina izany no efa voarohirohy sy nampidirina am-ponja tamin’ity resaka ity. Mbola tsy hita kosa ny nanaovan’izy ireo ilay volabe, nangalariny. Raha ny loharanom-baovao azo dia hoe, efa nozarazarain’izy ireo ity vola ity. Heverin’ireo mpanao fanadihadiana araka izany fa any amin’ity olona mbola karohina ity ny misy ny ampahany betsaka tamin’ireo vola.
m.L