- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra tao amin’ny toeram-piasàna : Tafakatra 11 ireo olona nosamborina

Halatra tao amin’ny toeram-piasàna : Tafakatra 11 ireo olona nosamborina

Ireo voarohirohy voasambotra sy ireo entana sarona.

Tsy nijanona teo amin’izy telolahy, mpiasa tao amin’ilay orinasa sy mpandray entana halatra ihany ny baolina ! Nitohy hatrany ny famotorana nataon’ny pôlisy ary nisy olona maromaro hafa indray no voasambotra. Hatreto dia tafakatra 11 ireo voarohirohy tamin’ny resaka halatra, izay nahaverezana fitaovana elektronika isan-karazany izay miteti-bidy aman-tapitrisany maro, tao amin’ity orinasa iray teto an-drenivohitra. Raha tsiahivina dia ny herinandro lasa teo, tonga nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, tetsy Ambohijatovo ny tompon’ny orinasa iray noho ny fahavezeran-javatra tao amin’izy ireo : biskleta elektrika iray niaraka tamin’ny solosaina 37 isa. Nanao ny fanadihadiana avy hatrany ireo pôlisy ary nisy ny olona noahiahiana, izay tsy iza fa mpiasa tao amin’ity orinasa ity hatrany. Nanaovana famotorana ilehio ka fantatra tokoa fa nanao ilay halatra. Nanonona ny namany roalahy izy, izay mpitazona sy nividy ireto « baolina » tafavoakan-dranamana tao am-piasana. Notanana andrimaso izy telolahy ary nadoboka am-ponja vonjimaika taorian’izay. Nandroso ny andro, nitohy ny fanadihadiana. Fantatra fa efa tambazotra iray mihitsy izy ireo ka niampy lehilahy hafa miisa valo indray no voasambotry ny pôlisy. Izy ireo izay, voalaza fa isan’ireo mpandray ireo entana halatra avy tao amin’ity orinasa ity. Niaraka nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria avokoa moa ry zalahy ireto ary notanana natao andrimaso aloha, talohan’ny nanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici