Efa-dahy izy ireo no tra-tehaka, nilonjehatra ity gony lehibe iray, tao amin’ny fokontany Soatsioky, kaominina Belo Tsiribihina ny alahady teo. Taolan-dava maromaro, nilanja teo amin’ny 20 kilao teo ho eo no sarona teny amin’izy ireo, rehefa natao ny fisavàna. Hatreto dia tsy fantatra na fasana taiza na fasana taiza no nangalàn’izy ireo, ireto taolam-balo ireto. Araka ny fampitam-baovao azo dia lasa niha-nahazo vahana tanteraka izany halatra taolam-paty izany tany amin’iny faritra iny, indrindra tao anatin’ny herinandro vitsy izay. Nisy avy hatrany araka izany ny fandraisan’andraikitr’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, notarihin’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao Menabe, amin’izany ady izany. Ary nanentanana ireo tsirairay, hampandre avy hatrany azy ireo, raha vao misy tranga mampiahiahy. Tsy niandry ela dia tokoa efa nahazoana izao vokatra izao, taorian’ny fanomezam-baovao azon’izy ireo. Tamin’io andro io tokoa mantsy dia voalaza fa misy bandy efa-dahy, mampiahiahy, milanja gony, mandalo tao amin’io tanana voalaza etsy ambony io. Nambarana tamin’izany fa mpivarotra taolam-paty izy ireo, ka eo am-pitadiavana izay olona sahy hividy izany. Niditra an-tsehatra avy hatrany moa ireo zandary tamin’ny alalan’ny fametrahana ny paik’ady rehetra ka izao tra-tehaka niaraka tamin’ny « entana » saika hamidiny izao izy ireo. Notazonina natao andrimaso avy hatrany moa ireto mpibizina taolam-paty ireto, mba atao famotorana. Tetsy andanin’izay kosa, efa nentanina avokoa ireo fokonolona tamin’ireo faritra manodidina, mba hanamarina ny fasan’izy ireo tsirairay avy.
m.L