Mivoatra ny raharaha fahatrarana mpangalatra taolam-paty dimy mianadahy nitranga sy tratra tao amin’ny fokontanin’i Morafeno, kaominin’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, ny alarobia 9 aogositra lasa teo. Taolam-paty iray gony taolan-dava niisa 30 teo no tratra tamin’izy dimy mianadahy tamin’izay fotoana izay. Tao anatin’ny fanadihadiana natao no nahalalana ankehitriny fa misy zandary voasaringotra ho mpiray tendro sy mpiray tsikombakomba tamin’izy dimy mianadahy tratra ireto. Raha ny fanazavana dia nisy zandary telo lahy nandalo tao amin’ny fokontany Maromitety ity, nilaza ny hindrana trano fivoahana sy fidiovana izy ireo dia nomen’ny tompon-trano; saingy gaga ny tompon-trano raha avy nanao ny natao ireto zandary fa nahita taolam-paty tao an-damosin’ny tranon’ireto fianakaviana ireto. Noferan’ireo zandary telo lahy tsy hiteny amin’ny manodidina ireto fianakaviana ireto fa halaminina mora ny raharaha, ka nasain’izy ireo nandoa vola 4 tapitrisa ariary ireto fianakaviana ireto, saingy 2 tapitrisa ariary no nisy tao aminy ka nalain’ireto zandary ireto. Ireto zandary ihany anefa no voalaza fa nandevina ireto taolam-paty tao an-tokotanin’izy mianakavy ireto, saingy taorian’izay dia tonga ny polisy efa nahazo vaovao taman’olona ny fisian’ity taolam-paty ity nisava ny trano sy ny tokotany, ka izy ireto no tratra farany. Ho hita eo anefa ny fepetra horaisin’ny fitsarana amin’izao raharaha izao, saingy tsy vao izao no nahenoana tranga hafahafa ataon’ny zandary toy izao. Isan’izany ilay zandary tratra nivarotra basy sy nikononkonona hanao asan-jiolahy voasambotra tao Tanambao V farany teo…
Malala Didier