- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra taribin’ny Jirama Toamasina : Mirefy 120m ireo very tamin’ny tambajotra Volobe...

Halatra taribin’ny Jirama Toamasina : Mirefy 120m ireo very tamin’ny tambajotra Volobe – Toamasina

Samy taitra sy gaga ny rehetra fa tao anatin’ny ady baolina kitra nampitaintaina ireo mpanaraka ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany, nihaonan’ny Brésil sy Suisse ampaham-potoana faharoa dia tapaka tampoka ny herinaratra eran’ny tampon-tananan’i Toamasina sy ny manodidina rehetra. Naharitra adiny iray teo ny fahatapahana tamin’izany izay niteraka fitarainana maro voarain’ny talen’ny Jirama Toamasina; nefa raha nanao ny fizahana ifotony ireo teknisian’ny Jirama ny alina ihany taorian’ny ezaka namerenana ny herinaratra, dia tambajotran’ny herinaratra mirefy 120m izay mitondra tanjaka 35.000V mampifandray an’i Volobe Toamasina II sy Toamasina renivohitra no nisy nangalatra nandritra ity fahatapahana tampoka tsy nahitan’ny mpankafy kitra baolina ny alahady alina ity. Tsy sampana anefa izao halatra tariby mitranga amin’ny tambajotra Volobe Toamasina sy Betainaomby Toamasina I izao, satria tao anatin’ny tetezamita hatramin’izao dia mahavita mampitambatra an’i Toamasina sy Antananarivo mandroso sy ny miverina ny tariby nisy nangalatra. Efa maro ihany koa no tratra tamin’izany saingy raha tsy manjavona ny antontan-taratasin’ady, izay tsy hay ny tena manary, dia vitsy tamin’ireo tratra ihany no miditra sy mamita ny saziny am-ponja noho ny antony tsy fahampiana porofo entina manenjika azy ireny. Nefa araka ny fanazavana azo dia 3.000 ariary no hamarotan’ireo mpangalatra ireo taribin’ny Jirama vita amin’ny Viraty ireo, raha mividy izany amin’ny vola vahiny sy avo folo heny kosa ny Jirama amin’ireo mpamatsy azy izany. Ankoatra izany dia nilaza ny talen’ny Jirama Toamasina fa ity tranga ity no halatra tariby voalohany nisy tao anatin’ny naha-tale azy. Nomarihany anefa fa tsy maintsy olona mahalala tsara ny asan’ny Jirama sy iny tambajotra Volobe – Toamasina I iny no nahavita izao. Efa voasolo ny alatsinainy maraina ihany ireo tariby very ary tsy maintsy handeha ny fanadihadiana ka ho tratra ihany ireo nahavita izao heloka izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici