Roa herinandro teo ho eo izay no nikarohan’ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahatelo an’i Steeve Marius, ilay lehilahy efa tsy zoviana amin’ny maro intsony noho ny nisehoany tao amina kilalao tamina fahitalavitra iray teto amintsika, ary voarohirohy tamina resaka halatra vola, mitentina eo amin’ny 3.000 euros, na 12 tapitrisa ariary any ho any. Fantatra ary izao fa voasambotra ihany ity farany, rehefa ela nitsoahana. Tany Foulpointe ny lehilahy no tra-tehaka, ny sabotsy lasa teo, raha ny fampitam-baovao azo, raha nipetraka tao amina trano fandraisam-bahiny iray tany an-toerana. Ireo olona tao amin’io toerana io no nahatsikaritra azy ary nampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana tany.
Raha tsiahivina tokoa dia nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisaria tetsy Antaninandro ny fianakavin’ity lehilahy ity, izay very vola, ary voatondro ho i Steeve no naka azy. Nanomboka teo ny fikarohana saingy tsy hita tany nanjavonana ranamana. Voatery araka izany ireo pôlisy namoaka filazàna fikarohana izay naparitaka tamin’ny haino aman-jery sy ny tambajotra sosialy. Ary dia izao niafara tamin’ny fahatratrarana azy tany Foulpointe izao. Tamin’ny fanadihadiana azy, hoy ny vaovao, raha vao avy naka ilay vola izy dia nitsoaka tany Antsirabe. Tany indray no nahafantarany fa karohin’ny pôlisy fatratra izy ka naleony nitsoaka hatrany sy nanita-kevitra ny handeha ho any Foulpointe indray. Mbola vola vahiny amin’io ny eny an-tanana. Notsinjarainy ho 280 euros isaky ny manakalo izany ka izay no nahafahany nandeha nitsoaka. Nambarany ihany koa fa laniny tamin’ny fitsoahana sy fanaovana fiainana ny ankabeazan’ilay vola. Tsy nisy afa-tsy vola mitentina enina hetsy ariary sy 10 euros sisa tany aminy tamin’ny fotoana nahatratrarana azy. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia efa fomba fanaony io mangala-bola io, ary tsy an’iza ireo vola ireo fa an’ny zokiny ihany. Rehefa tsy voafehy tokoa ity maha-olo-malaza ity dia lasa manaotao foana ny hiafarany. Hany ka ny varavaran’ny fonja sisa no misokatra …
m.L