- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra vola hividianana V8: Eto Tana i Therique, saingy mbola tsy hita

Halatra vola hividianana V8: Eto Tana i Therique, saingy mbola tsy hita

Notaterina teto amin’ny gazety ny fisian’ny « avis de recherche » izay mahakasika an’i Therique Rajaonarivelo, 15 andro lasa izay. Rehefa nohamarinina teo anivon’ny polisy ny fivoaran’ny vaovao, dia fantatra fa mbola tsy hita hatreto izay nanjavonan’ity lehilahy ity. Izy io dia miaraka amin’ny vola mitentina 120 tapitrisa ariary (raha tsy efa lany) ary izany dia vola nampitondraina azy avy tany Sambava mba hividianana fiara tsy mataho-dàlana V8 aty Antananarivo. Saingy nahodiny ary tsy hita intsony izy nanomboka teo. Raha ny  fanampim-baovao azo, dia fianakaviana iray izay nandray azy ho toy ny zanaka an-trano ihany no nivadihany. Efa fanao ny mampitondra vola sy mampanao taratasy azy hatrizay. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, dia niitatra tamin’ny ratsy ny sain’i Therique ary dia io nakepony io ny volabe. Izany dia nasaina nateriny tamin-dramatoa iray eto an-drenivohitra ; izay miandraikitra ny fividianana ilay fiara voalaza etsy ambony ny marikany. Raha ny fanazavan’ny polisy ihany, dia manana porofo izy ireo tamin’ny fandalovan’ilay lehilahy teto an-drenivohitra ary efa mandeha avokoa ny fomba rehetra izay hanarahana ny diany. Heverina ho fetsy ny lehilahy, satria tsy mijanona loatra amin’ny toerana iray ary torak’izany ihany koa ny fampiasany ny fitaovam-pifandraisana. Na izany aza anefa, inoana fa hanampy betsaka ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny fametahana « avis de recherche » momba azy ity, eny amin’ny biraon’ny polisy rehetra eto Madagasikara. Azo eritreretina ihany koa fa mivezivezy amin’ny lalam-pirenena i Therique, satria tsy misy afa-tsy Sambava sy Antananarivo ihany no tena misy  olom-patany sy ny fianakaviany. Nisy fotoana izy mbola namaly ny antso an-telefaonina nataon’ny tompon’ny vola taminy. Torak’izany ihany koa ny hafatra fohy. Nivadika anefa izany ary lasa fandrahonana indray ny valiny nomeny faramparany.   

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici