- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra vola hividianana V8 : Karohin’ny polisy eran’ny Nosy Rajaonarivelo Therique

Halatra vola hividianana V8 : Karohin’ny polisy eran’ny Nosy Rajaonarivelo Therique

Ny sarin’i Therique Rajaonarivelo izay hita ao anaty « avis de recherches »

Fivadiham-pahatokisana, halatra vola izay mitentina 120 tapitrisa ariary ary fandrahonana ho faty. Mety mbola hitombo arakaraky ny fivoaran’ny raharaha ireo vesatra ara-pitsarana ; izay hanenjehana an-d Rajaonarivelo Therique ireo. Monina ao Antalaha izy ary tao amin’ny fokontany Antsonasona rahateo ny adiresy farany izay azon’ny pôlisy momba azy. Nivoaka ny zoma lasa teo ny « avis de recherches » momba azy ary mahakasika halatra vola ny hita tao anatin’izany. Rehefa nanontaniana ny zava-nisy ny teo anivon’ny pôlisy, dia fantatra fa olona tena natokisan’ny fianakaviana iray ao amin’ny faritra Sava i Therique. Efa noraisina toa ny zanaka  an-trano mihitsy ary rehefa misy hilana azy dia antsoina izy ary mahavita izay rehetra nangatahina taminy. Tsy mbola nivadi-pitokisana mihitsy hatramin’izay na ampitondraina vola haterina na koa ampanaovina zavatra hafa. Ny nifanohitra tamin’izay kosa anefa no nitranga tamin’ity indray mitoraka ity ary tena tsy nampoizina mihitsy. Nomena vola izay efa voalaza etsy ambony i Therique, izany dia mba haterina amin-dramatoa iray aty Antananarivo. Io vola io dia saika hividianana fiara tsy mataho-dàlana, Toyota V8. Ny zava-nisy anefa, dia nivadihan’i Therique tanteraka izany. Notazoniny ny vola ary nanomboka teo izy dia tsy hita intsony izay misy azy. Rehefa antsoina an-telefaonina dia narirarirany hatrany ny resaka ary nampanantena izy fa hoavy hanatitra ny vola. Nivadika tanteraka anefa izany, satria amin’izao dia i Therique indray no mandrahona ho faty isaky ny antsoina. Efa mandeha ny fikarohana azy eran’i Madagasikara ankehitriny, indrindra any amin’ny faritra Diana sy Sava izay nivoahan’ny antso farany nataony an-telefaonina. Ny Sécurité Urbaine de Tanà na SUT no mandray an-tànana ny raharaha ary azo antsoina amin’ny 034 02 130 32 na 034 05 998 47 na 033 49 130 32 io sampan’ny polisy io ho an’izay mahita azy. Nilaza koa ny tompon’ny vola very, fa hanome valisoa ho an’izay manam-baovao matotra momba an-dRajaonarivelo Therique.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici