- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra vola teny Anosy : Telopolo volana sazy mihantona, ho an’ilay kaomisera...

Halatra vola teny Anosy : Telopolo volana sazy mihantona, ho an’ilay kaomisera sy ny namany

Omaly, tao amin’ny efitrano fitsarana faharoa teny Anosy, no namoahana ny didim-pitsarana momba ilay raharaha nahaverezana vola, izay an’Atoa Ravelonarivo Jean, Praiministra amin’izao fotoana izao. Telopolo volana sazy mihantona, ho an’ireo olona voarohirohy tamin’ity resaka ity, dia ilay kaomisera sy ny namany enina mianadahy. Tsiahivina fa ny talata lasa teo no niakatra teny amin’ny Fitsarana ireo olona voarohirohy ireo, taorian’ny nisamborana azy ny volana janoary 2014 ary nampidirina am-ponja vonjimaika teny Antanimora sy Tsiafahy taorian’izay. Nambaran’ny solontenan’ny mpisolovava azy ireo ny Me Willy Razafinjatovo, fa tsy afapo amin’io didy navoakan’ny Fitsarana io izy ireo ary hampiakatra ny raharaha. « Tokony ho afaka madiodio amin’ity raharaha ity ireo olona ireo, satria tsy mitombina velively mihitsy ny fiampangana azy ary tsy nahitana porofo. Etsy andanin’izay, tsy izy ireo no nanao ilay tranga fa olon-kafa, izay mbola tsy hita hatramin’izao. Manginy fotsiny ny hoe, efa nanatsoaka ny fitoriany ny mpitory » hoy hatrany ny fanazavana nomeny. Raha ny zava-nitranga tamin’io fotoana nisian’ny halatra io, dia izany Jean Rock, mpiambina akaikin’ity Filoha tale jeneralin’ny orinasa JJ ity no nitsoaka niaraka tamina sakaosy voalaza fa nisy volabe, raha nirahina haka ity sakaosy ity teny Anosy. Tsy hita nanomboka hatreo io olona io, niaraka tamin’ny mpamily. Niantefa avy hatrany tany amin’ireo mpiambina namany sy olona niandraikitra ireto mpiambina ireto, niaraka tamin’ny fianakavin’i Jean Rock, araka izany ny ahiahy ka nampiditra am-ponja vonjimaika ireto farany taorian’ny famotorana natao azy ireo. 14 volana taty aoriana dia io niakatra teny Anosy io ny raharaha ary namoahana io didim-pitsarana io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser