Niakatra fitsarana omaly, tao amin’ny efitrano faharoa, ilay raharaha nahavery ny volaben’Atoa Jean Ravelonarivo, Praminisitra amin’izao fotoana izao, niseho ny sabotsy 11 janoary 2014, ka nahavoarohirohy olona fito. Tao anatin’izany ny kaomisera iray, niaraka tamin’ireo mpiambina efatra mirahalahy sy vehivavy roa hafa, izay nosamborina ary nalefa any Tsiafahy sy Antanimora, niandry izao fotoana nitsaràna azy izao. Fantatra fa amin’ny talata heriny izao vao hivoaka ny didim-pitsaràna ka mandram-piandry izany dia naverina any am-ponja avokoa ireo olona voarohirohy rehefa nolavin’ny fitsarana ny fangatahan’ny mpisolo vava azy ireo, ny amin’ny fanomezana fahafahana vonjimaika. Raha hiverenana kely ity resaka ity, dia nisiana fahaverezana volabe tetsy Anosy. Nisy zavatra nataon’Atoa Ravelonarivo, izay Filoha Tale Jenaralin’ny orinasa JJ tamin’io fotoana io, tao amin’ny hôtely iray teny an-toerana. Nirahina haka sakôsy tao anatin’ny fiara nijanona teo ivelany ny mpiambina azy akaiky, antsoina hoe Jean Rock. Tany anefa dia tsy niverina intsony ity mpiambina ity, niaraka tamin’ny mpamily. Nambara tamin’izay fa nisy volabe mitentina an-tapitrisany maro tao anatin’io sakaosy nasainy nalainy io. Nametraka fitoriana avy hatrany Ingahy Filoha Tale Jeneraly, ary nandeha avy hatrany ny fanadihadiana, izay nahavoarohirohy ireo mpiambina ny tranony tany Ivato sy ilay kaomisera, nampiditra ireo mpiambina ireo hiasa ao aminy. Fikambanan-jiolahy, firaisana tsikombakomba amin’ny fangalarana ary fitanana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalàna no vesatra nanenjehana ireo olona voampanga ireo. Tao anatin’ny fiarovana nataon’ireo mpisolo vava ireto farany no nilazan’izy ireo, fa tsy mitombina ny fiampangana azy. Etsy andanin’izay, tsy nisy na dia porofo iray akory aza tonga teo anatrehan’ireo mpitsara. Nanomboka kelikely ny fitsaràna no fantatra fa nisintona ny fitoriany ny Praiministra. Na izany aza anefa tsy nanakana ny fanenjehana ireto olona voarohirohy izany, ka nangatahan’ireo mpisolo vava ihany koa ny hanatsarahana ny fanenjahana. « Miandry ny fahendren’ny fitsarana izahay », hoy ny Me Willy Razafinjatovo, isan’ireo mpisolo vavan’ireo voampanga. Namafisin’ireto mpisolo vava ireto, fa na hatrany am-boalohany aza dia efa tsy nanaraka ny lalàna ny fomba nitazonana ireto olona ireto, indrindra fa raha misy ny fanenjahana mpitandro filaminana toa izao. Dia handrasana araka izany ny didy izay havoakan’ny fitsarana ny talata ho avy izao.
m.L