Taorian’ireny resaka fahaverezana vola be tao an-tranon’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier andro vitsy lasa izay, dia fantatra izao fa nisy tokoa ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana momba izany. Olona enina voarohirohy amin’ity raharaha ity no natolotra ny Fampanoavana, omaly alatsinainy 24 aprily. Tao aorian’ny fihainon’ny mpitsara azy ireo, dia lehilahy roa no nampidirina vonjimaika eny amin’ny toeram-pamonjana ireo mpanao heloka bevava eny Tsiafahy. Efatra kosa, izay vehivavy ny roa, no nampidirina eny amin’ny fonjaben’Antanimora. Araka ny nambara tetsy ambony, dia halatra vola be no nanenjehana ireo olona ireo, saingy mbola tsy fantatra hatreto ny hoe : inona avy no andraikitra noraisin’ny tsirairay tamin’izy ireo tao anatin’izany ? Mbola mipetraka ho tsiambaratelo izany, satria toa mailo dia mailo ny mpanao fanadihadiana avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena misahana ity raharaha ity ; amin’ny fanomezam-baovao mahakasika ity raharaha ity. Na izany aza anefa, nisy ihany ny loharanom-baovao nilaza, fa iray amin’ireo olona voarohirohy ireo no tsy lavitra an’ilay niharan’ny fandrobana. Ity olona ity no fantatra fa voasambotra voalohany ary nahatrarana vola be amina miliara tany aminy. Andrasana araka izany ny tatitra izay omen’ny zandary mahakasika izao raharaha izao, fa zava-dehibe loatra ho an’ny Malagasy ny mahalala izany. Ilaina ny hisian’izany, satria araka ny feo mandeha dia vola ampolony miliara ity voalaza fa very tao an-tranon’ny Praiminisitra ity. Ity farany izay nilaza fa tsy marina io resaka io raha nanontanian’ny mpanao gazety momba izany. Voaporofo anefa ankehitriny fa nisy tokoa ilay izy matoa nisy ny olona nenjehina momba izany. Ny mampametra-panontaniana ny maro dia ny nahafahan’ny Praiminisitra mitahiry izany vola be izany any an-tranony sy ny fiavian’izany ary ny saika hampiasana azy.
T.M.