Avy aty an-drenivohitra ilay zaza menavava. Nentina tamin’ny fiara manokana ary saika hihazo an’i Toliara. Nahamahina ny zandary anefa ny zava-nisy ary teo amin’ny sakana teo Mahaboboka no nasaina nidina ireo olona mba nohadihadiana. Tao anatin’izany no niaiky ilay ramatoa fa tsy zanany io zaza menavava io. Efa nipetrapetraka tsara ny lamina momba ny fampitàna ilay zaza satria tao Sakaraha ny fiara tsy mataho-dàlana izay hitsena azy. Io koa dia saron’ny zandary rehefa napetraka ny lamina handalinana momba ity raharaha ity. Teo indray dia nisy lehilahy iray hafa nosamborina. Io koa dia niaiky fa tsy azy ny zaza fa kosa izy no hanangana azy. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ary hatreto aloha dia noraisina ho toa ny hala-jaza izay mamofona trafikan’olombelona. Saingy ny valin’ny fanadihadiana no hamaritra izany. Ny fahitàna ny ray aman-drenin’io zaza io no isan’ny mety hamaritra haingana ny momba ity tranga ity. Notazomina ny olona ary nogiazana ny fiara nitatitra mandram-pahitàna ny marina.
D.R