- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilEconomieANTSIRABE : Hamokatra entona fampiasa andavan’andro ny MADA-GAZ

ANTSIRABE : Hamokatra entona fampiasa andavan’andro ny MADA-GAZ

Tao am Ivotika no nandraisana ireo delegasiona Mada-Gaz

Tetikasa iray hamokatra entona fampiasa andavan’andro ny Mada-Gaz, eto

Antsirabe no hanomboana azy ity araky ny fampafahantarana natao nandritra

ny fitsidihana ara pomba ofisialy nataon’ireo delegasiona tompon’andrikitra,

notarohan’ny Rtoa Minoarisoa Faratiana, mpitantana ny Mada-Gaz tao

amin’ny faritra Vakinankaratra ny herinandro lasa teo.

Angovo azo havozina no akora fototra hampiasan’ny tetikasa, mandray anjara

feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana noho ity tetikasa ity ary maro no

hahazo tombony ankoatry ny fampanana asa.   

Fantatra fa hanampy ireo tantsaha ny Mada-Gaz amin’ny alalan’ny fanodidina

fako sy fampisa zezika, hahazo tombony ihany koa ny andrenivohitra satria

entona fampiasa ao antokatrano no hovokarina.

Hatomboka amin’ny taona ho avy ny fananganana ny fotodrafitrasa araky ny

fampahafantarana, hialoavana fanadihadiana lalina itony tetikasa itony ary

mbola ao anatin’izany tanteraka ny Mada-Gaz amin’izao fotoana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici