- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-Divers« Harcèlement sexuel » : Maorisiana iray nisy nitory

« Harcèlement sexuel » : Maorisiana iray nisy nitory

Ny iray teratany maorisiana izay tompon’andraikitra amin’ny orinasa lehibe eto an-toerana. Ny faharoa vehivavy malagasy, renim-pianakaviana, izay nanapa-kevitry ny nitory azy. Ny antony dia noho ny fikasàn’itsy voalohany hanao herisetra ara-nofo azy na « harcèlement sexuel ». Mpiasa eo anivon’ny orinasa izay tantanany ary mazava hoazy fa eo ambany fiadidiany ilay ramatoa. Nisy fotoana dia nomeny asa io farany tamin’ny andro atoandro izay tokony hisakafoanana ary voatery nijanona. Kinanjo efa zavatra hafa ny anton’izany dia ny fikasàna hanatontosana firaisana ara-nofo. Nandà izany ilay vehivavy ary nanomboka teo ny olana rehetra no nitranga. Tsy faly noho izany ilay vahiny ka dia tany amin’ny resaka asa indray no nanamparanany izany. Nandritra ny taona iray dia tsy ankijanona ny antsonjay sy ny fampihorohoroana isan-karazany ary izay ny tetika dia hahafahana mandroaka ilay vehivavy. Nisy fiantraikany ara-pahasalamana ny niafarany satria isan’andro dia miferin’aina hatrany isaky ny hiasa. Niakatra fampanoavana ny raharaha ary hotsaraina afaka efatra andro. Maro ny vahiny no mieritreritra fa tsy misy tsy vitan’ny vola eto amin’ny firenena malagasy. Sahin’ireo ny manambany ny mpiasany ary manery hanao firaisana aminy rehefa tambazana tombotsoa kely na vola. Hita matetika eny amin’ny orinasa tsy miankina izany saingy vitsy ihany ny sahy mitondra ny raharaha eny amin’ny mpitandro ny filaminana. Ny tsy fitoriana anefa dia mainka koa manamafy ao an-dohan’ireo vahiny fa tena tsimatinanota izy ireo ary afaka manao izay danin’ny kibony. Amin’ity raharaha ity dia mangataka ny mba hijeren’ny mpitsara akaiky ny dosie ny fianakavian’ilay vehivavy satria ny fiainany arak’asa, ara-tokantrano ary ara-piaraha-monina no indray voakasika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici