Tsikaritry ny maro ny fisian’ny fiara tsy mataho-dàlana marobe an’ny Emmo-Sécurité ; izay nipetraka teny amin’ny lalam-pirenena, ny marimarina kokoa ny fidirana sy ny fivoahana an’Antananarivo. Efa ho fiara folo ary feno mpitandro ny filaminana avokoa no nanao ny asa fisavàna andavan’andro dia ny fisavana ny taratasin’ny fiara sy ny olona izany. Teny Ambatofotsy no tena nanamarika izany ny asabotsy lasa teo ary tetsy Ambohimangakely sy ny RN1 kosa omaly. Ankoatra ny fisavàna taratasy dia tsikaritra fa nisy koa ny fampiasàna ireo “alcotest” izay toa ny mpitaingina môtô indray no maro nihoatra ny tahan’ny alikaola tao anatiny raha noharina amin’ny mpitondra fiara. Rehefa nanontaniana ny tompon’andraikitra, dia fantatra fa hetsika izay natao manoloana izay mety ho fivezivezen’ny dahalo no tena anton’izany. Tamin’ny herinandro lasa teo mantsy dia nandeha be ny feo fa misy vatan-dehilahy maro hiakatra eto an-drenivohitra ary heverina fa hitondra korontana no antony. Mbola tamin’iny herinandro iny ihany koa no nandrasana tetsy amin’ny fasan’ny karàna ireo izay antsoina hoe « dahalo niova fo », fiantso izay tsy dia tian’ny zandary loatra satria amin’izy ireo dia « dahalo nilavo lefona » no tena mety hilazàna ireny karazan’olona ireny. Ireo vatan-dehilahy avy any atsimo ireo moa dia tsy tonga tamin’ny ora farany noho ny olana ara-bola amin’ny fitaterana azy ireo miakatra eto Tana. Dikan’izany rehetra izany dia mety matahotra ihany ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny hoavin’ireo olona ireo, indrindra ny amin’ny hamerenana azy eo anivon’ny fiarahamonina, indrinra koa fiaraha-monina aty an-drenivohitra. Inona tokoa moa ny antoka fa tena hiova ny fony ka tsy hiverina amin’ny asaratsy intsony izy ireo raha mahita ny volabe mihodina eto Antananarivo ? Ankoatr’izay dia mbola mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny hoe tsy maintsy aty an-drenivohitra ve ny hevitra hanomezana asa azy ireo ? Na dia amin’ny ampahany ihany aza no voakasik’izany dia lasa hatrany ny eritreritra ny amin’ny hoe tsy mainka koa ve fitangoronan’ny olona eto an-drenivohitra ny fanapahankevitra toa izany…
D.R