Nivoaka tamin’ny fahanginany ny zandary ao Ambovombe, mahakasika ny raharaha izay nalaza tao an-toerana, dia ny fibodoana ny fananan’i Soja Tovonday (mpitandraka safira, maty voatifitra) sy ny vadiny Brigitte. Raha tsiahivina, dia nisy nitifitra teny amin’ny lalam-pirenena mizotra ho any Ambovombe itsy voalohany. Vao vita ny fandevenana azy, dia raikitra ny savorovoro momba ny fananany. Nody an-tanampolo ny vadiny rehefa nobodoin’ny vadiny teo aloha antsoina hoe Haova ny hareny. Nanomboka teo ny fitorian’i Brigitte teny anivon’ny zandary tao Ambovombe noho ny fangalarana ny fanananam-badiny. Sarotsarotra teo ny raharaha, satria nisy didy mifanohitra avy amin’ny sampam-pitsaràna roa karazana. Nahitan’ny zandary vahaolana ihany izany, ary dia voaporofon’ireo fa nisy tokoa ny fampiasana hosoka mba hibodoana fananan’olona. Araka ny fanazavan’ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao amin’ny faritra Androy, ny Lieutenant-Colonel Andriamamonjisoa Jean Bernard, nandritry ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tao an-toerana, dia hosoka ny taratasy fananangan-jaza nataon-dramatoa vadiny teo aloha. Izany no nataon’io ramatoa io dia ny mba hanaporofoana, fa nanaiky ny nanangana ireo zaza efatra (telo amin’ireo ny zanak’izy ireo fony nanambady) i Soja Tovonday. Manamora ny fibodoana ireo fananan’ny maty izany. Voaporofon’ny zandary anefa ny maha-hosoka ireo taratasy. Hatolotra eny amin’ny fampanoavana anio ny raharaha, ary anisan’ny hoentina eny koa ireo tompon’andraiki-panjakana izay nanao ny taratasy hosoka. Ankoatr’izay, dia mbola noporofoin’ny zandary koa fa fika iray entina handotoana ny mpitory ny filazan’i Haova, fa nisy naka an-keriny ny zanany iray izay zanany tamin’ny vadiny faharoa; izay antsoina hoe Jocely. « Rehefa nohalalinina dia noho ny hatezeram-badiny (vadiny vaovao) no nakàny ilay zaza ho any aminy. Tsy zakan’ilay rangahy (Jocelyn) mantsy ny fisian’ilay taratasy hosoka milaza fa natsangan’ny rafilahiny io zaza io. Nitory ny vadiny koa aza i Jocelyn noho izany », raha araka ny fanazavan’ny zandary. Mivoaka tanteraka ny valin’ny fanadihadiana rehetra ankehitriny, ary dia handrasana ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana ao an-toerana.
D.R