- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversHaute-Matsiatra : Namono olona enina ny havan’ireo zaza mitazona kalach nosamborina

Haute-Matsiatra : Namono olona enina ny havan’ireo zaza mitazona kalach nosamborina

Nodoran’izy ireo ny trano miisa 11 ka olona 59 no lasa tsy manan-kialofana vokatr’izany. Tsy izay ihany fa nisy olona enina hafa izay novonoin’ireo rehefa nolazainy fa nanondro ireo zaza teny amin’ny zandary. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo no nisehoan’izany habibiana noho ny valifaty izany tany amin’ny fokontany manodidina an’Andoharanomaintso. Nisy nahavita nampandre ny zandary ary raikitra ny fanarahan-dia. Nisy lehilahy iray izay voasambotra niaraka tamin’ny basy sy bala taorian’izay. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia olona havan’ireo zaza mitazoka kalachnikovs roa izay voasambotra tany an-toerana tamin’ny 21 oktobra teo no tompon’antoka tamin’ny heloka bevava. Mitohy ny fikarohana ireo ambiny izay mbola nitsoaka any anaty ala any. Isan’ny vaovao nanaitra ny maro ny fahazoana ireo zaza mitazona basy, ary tsy mba basy vita gasy na basim-borona fa kosa ny kalachnikovs. Vetivety dia niparitaka naneran-tany ilay sary noho ny fisian’ny tambajotra sosialy ary nahatonga saina maro hoe efa mivadika Syria ve i Madagasikara? Any amin’io firenena io mantsy ankehitriny no tena betsaka zaza tsy ampy taona izay lasa miady miaraka amin’ny mpikomy ary mitam-basy maherivaika. Momba izay mitranga any Haute-Matsiatra indray, mety ho tonga any amin’izay niavian’ny basy ve ny fanadihadiana mandeha?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici