Festival RN7 : Haverina ny fifaninana hazakazaka soavaly

Hateloana ny naharetan’ny festival RN7 andiany voalohany notontosaina teto Antsirabe nanomboka ny zoma 15 Aogositra 2025 lasa teo. Na sambany aza no nisian’ity hetsika ity dia azo hambara ho fahombiazana satria nisarika olona maro na vahiny na tompon-tanana na ireo mpiala sasatra. Hetsika maro loko rahateo no niseho nandritra ny telo andro nifanesy.
Tanjon’ny festival RN7 ny hamerina indray ny « destination Vakinankaratra » hoy ny teo anivon’ny ofisim-paritry ny fizahan-tany , tsy ho toeram-pandalovana intsony i Vakinankaratra fa ho toerana hijanonan’ireo mpizahan-tany, maro rahateo ny toerana azo tsidihana eto miampy ny hetsika tahaka izao.
Tamin’ny alalan’ny fampiratiana tranoheva maneho ireo asa tanana eto Vakinankaratra sy vokatra ara pizahan-tany no nafahana nampiseho ny lazan’ny Vakinankaratra amin’ny hetsika ara pizahan-tany tahaka izao. Ankoatra izay dia nambara fa haverina ny « course » soavaly hisy koa ny « trail lac tritriva » sy Andraikiba ary ny alina miavaka.
Marihina fa ny fitalevam-paritry ny fizahan-tany, ny ORTVAK, Ny ONG Tolotanana no sy toko telo nahamaso nandro sy nahatanteraka ity festival RN7 andiany voalohan ity. Yoga no nanamarana ny festival ny Alahady lasa teo.
Andry N.