- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHazalambo : Mbola tsy hita i Papaga mpanendaka

Hazalambo : Mbola tsy hita i Papaga mpanendaka

Hatreto aloha dia mbola tsy hita izay misy an’i Papaga. Io farany dia mpanendaka izay nandrasa ny tarehin’ny tovolahy iray tamin’ny « lame », tao anaty bus tetsy Besarety. Ny tena naha-romotra azy dia ny nahazoan’ilay olona nendahiny sary ny tarehiny ary koa ny nahafantaran’itsy voalohany fa mpanendaka izy. Vao niely ny vaovao mahakasika izay tamin’ny tambajotra sosialy dia avy hatrany dia samy nifanampy ny olona ny amin’ny famantarana azy. Ny andron’iny ihany dia efa fantatra ny anarany hoe Papaga. Torak’izay koa ny fandalovany matetika ary mety ho fonenany, eny Ambohimahitsy. Nandefa filazàna ny zandary fa hatao hazalambo i Papaga. Hatreto anefa aloha dia tsy hita izay misy azy ary tsy hita soritra mihitsy. Ny mpanendaka toa ireny rahateo dia tsy mampiasa finday misoratra amin’ny anarany na tsy mampiasa mihitsy. Mety ho very arak’izany raha ny fanarahana avy amin’ny alalan’ny teknolojia no ampiasaina. Etsy andanin’izay, ny mpanendaka dia tsy mitoetra amin’ny trano iray fa miovaova arak’izay toerana farany nanaovany ratsy. Matetika maro vady ary miovaova hivantanana. Mbola hain’ireo koa ny momba ny elakelan-trano sy ny toerana fierena mety ho tsy tazan’ny maro. Isan’izany ny ao amin’ny toeram-pandevenana toa an’Anjanahary. Ireny fasam-poana ireny no matetika no lasa fieren’ny olon-dratsy. Ankehitriny, lasa fahavalon’Antananarivo ity Papaga ity satria ontsa loatra ny maro momba zava-dratsy nataony. Misy fijoroana vavolombelona koa aza fa efa nahafaty olona ity jiolahy ity sy ny namany. Mbola raharaha mety hiandry azy koa izay rehefa voasambotra, raha toa ka azo sambo-belona. Handrasana hatrany ny vokatra momba ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici