- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversHerinandron’ny vaksinin’ny “polio” eto Toamasina : Hahiana hiverina indray ny sakoroka sy...

Herinandron’ny vaksinin’ny “polio” eto Toamasina : Hahiana hiverina indray ny sakoroka sy ny fitsaram-bahoaka noho “tsaho”

Raha tokony ny faraparan’ny volana oktobra teo no nanaovana ny herinandron’ny vaksinin’ny lefakozatra, “polio”, teto Toamasina izay tsy vita noho ny fisian’ny valan’aretina pesta, dia mihevitra ny hanao izany manomboka ny 22 novambra izao indray ny eto Toamasina I. Efa misy ny fanofanana hatao amin’ireo ekipan’ny fahasalamana eto Toamasina, efa tonga eto Toamasina ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ireo kaominina sy fokontany maro ao anatin’ny faritra atsinanana mikasika izany. Misy anefa ny olana ankehitriny satria ireo filoham-pokontany nomen’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny OMS vola fa hoe niasa mafy tamin’ny valan’aretina pesta mihitsy izao no tsy vonona amin’ity herinandron’ny vaksiny ity, satria milaza ny tsy afaka hiaro ny ain’ireo mpiasan’ny fahasalamana manao izany vaksiny izany tonga eny anivon’izy ireo ireto filoham-pokontany ireto noho ilay resaka tsaho mikasika ilay resaka vaksinin’ny pesta nahatonga olana teto Toamasina teo aloha teo. Ao anatin’izay ihany koa ,dia maro amin’ireo talen-tsekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana nanontaniana mikasika ity herinandron’ny vaksinin’ny “polio” ity ihany koa, no nilaza mazava fa tsy hanaiky ny hidiran’ireo mpiasan’ny fahasalamana ny tokotanin-tsekoly noho ny tsaho nampisy olana tamin’ity resaka vaksinin’ny pesta efa nisiana fitsaram-bahoaka saika nahafaty mpampianatra ity. Efa nilaza tamin’izy ireo ihany koa ny ankamaroan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tsy handefa ny zanany hianatra, raha misy ny fanaovana ity herinandron’ny vaksinin’ny “polio” ity amin’ireo sekoly. Ankoatra izay,  dia mbola tena malaina amin’ny fisian’ity hetsika mikasika ny fanaovana vaksinin’ny “polio” ity taorian’ny valan’aretina pesta teo ny ankamaroan’ny olona. Na ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombona antoka aminy eny amin’ny fokontany aza tsy mazoto, noho ny tahotra ny ainy. Izay rahateo no mbola mampitsahatra ny fanisam-bahoaka eto Toamasina I hatramin’izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici