- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversHerisetra an-tokantrano : Tsy ny vehivavy ihany akory no misedra izany,...

Herisetra an-tokantrano : Tsy ny vehivavy ihany akory no misedra izany, fa misy ny lehilahy voavono

Mandeha manary fako, mividy kafe ary indraindray aza dia hitan’ny olona manary… pô amin’ity tarehy mivindana lalandava. Tsy maintsy izay foana no  ahitana an’ity rangahy iray, fantatry ny maro eny amin’ny faritra Ambatomaro iny amin’ny petak’anarana hoe Rajakôba. Tsy tokan-tena Rajakôba fa mananam-bady ,raha ny filazan’ireo mpiray monina aminy. Saingy izy avokoa no manao ity raharaha madinika rehetra ity ao an-tokantranony no sady raim-pianakaviana mitady vola. Ka rehefa tsy mahita dia velona ny gidragidra igagan’ny olona, miampy ireo vono isan-karazany, ataon’ny …vadiny azy. Tsy Rajakôba ihany anefa. 10 isan-jaton’ny olan-tokantrano mandalo amin’ny Hafari Malagasy, dia saika vokatry ny herisetra mianjady amin’ny lehilahy avokoa, raha ny 90 isan-jatony no vehivavy, raha ny voalazan’ny Filoha Nasionalin’ny Hafari Malagasy. Maro dia maro ireo olana ara-tsosialy mianjady amin’ny mponina, raha tsy hiteny afa-tsy ny olana ao an-tokantrano, ny ady tany, olana arakasa, sns, no mandalo aty aminay ary ny ankabeazan’izy ireo dia saika voavaha sy ahitana vahaolana eto ihany raha ny voalazany hatrany. Marihina fa efa mahatratra 35.000 any ho any no isan’ireo mpikambana ao amin’ity Fikambanana miahy ny resaka sosialin’ny mponina ity, raha ny eto an-dRenivohitra manokana. Tsy manana fidiram-bola na famatsiam-bola manokana ny fikambanana raha ny voalazan’ny filohany hatrany, fa ny herim-pon’ireo mpikambana milatsaka an-tsitrapo, no entina manodina izany. Etsy andanin’izay, nanambara ihany koa ity Filoha nasionaly ity, fa tsy manao na misy hidiran’ny resaka pôlitika ny fikambanana ary tsy natao hakàna fahavalo akory. Fa raha hiverenana kely ny momba an-dRajakôba sy vono lava mahazo azy isan’andro, izany tokoa angaha ilay hoe, « mahita ny sarin’i Jakôba » …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser