- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversHerisetra an-tsekoly : Tsy ampy taona valo nosamborina

Herisetra an-tsekoly : Tsy ampy taona valo nosamborina

Mitondra lefona, hazo ary vato. Entina an-tsekoly izany na koa eny amin’ny lanonana ankalamanjana. Ny tanjona dia hanaovana herisetra amin’izay manohitra azy ireo na tsy mitovy hevitra aminy. “Marobe ny fitarainana nataon’ny mponina tao amin’ny fokontany Tsaramandroso sy Mahavoky Avaratra ary Mahajanga. nandray fepetra ahafahana manatsahatra Izany ny Polisim-pirenena. Ny alakamisy teo dia nanapa-kevitry ny nanao hetsika manokana ny polisy teo anivon’ny kaomisaria foibe Mahajanga sy ny polisy misahana ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza tsy ampy taona ary ny olona marefo. Voasambotra ireo tanora miisa valo izay 12 ka hatramin’ny 18 taona. Samy avy ao Tsaramandroso avokoa izy ireo” raha araka ny tatitry ny polisy. Tany amin’ny faritra Diana no tena maro ny tranga izay mahakasika ny fisian’andian-jatovo mampihorohoro. Isan’izany ny Foroche izay nandefasana mpitandro ny filaminana manokana avy aty an-drenivohitra mihitsy tamin’izany fotoana mba hisambotra azy ireo ary nalefa fiaramanidina manokana izay tratra ka naiditra am-ponja avy hatrany. Ankehitriny dia ao Mahajanga indray izany no misy taratry ny tanora tsy ampy taona izay mampitahotra. Ny ao ambadik’izy ireny no tsy mety fantatra matetika fa nijanona ho eo amin’ny fisamborana ireo tanora fotsiny. Na ireo farany aza toa tsy mahalala akory izay tena hataon’izy ireo sy ny antony hanaovany an’izany. 

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici