Saika isan-kerinandro dia maro ireo vehivavy no hiaran’ny herisetra, ka maro noho izany koa ireo maratra sy maty mihintsy vokatra izany. Nisy tranga niseho vokatra izany tao amin’ny fokontany Ampanalana p/elle 14/11, dia nisehoana zavatra mampalahelo nitranga tao an-toerana, fa maty novonoim-badiny ilay renim-pianakaviana izay namela kamboty mianadahy. Ny zava-nitranga nandritra dia noleran’ny antsy aloha ny fivavin’ilay ramatoa, avy eo koa dia nokapoan’ny maritoa teo tarehan’ny vadiny izay niisa enina ny daroka nataony tamin’ity maritoa ity. Rehefa izay dia nafenin’ny tao anaty lavaka fakan’olona ranon-tany fanaovan-trano ny vadiny novonoiny; nampiarahany nalevina tao ihany koa ireo fitaovana nampiasany nandritra izany. Raha natao fanadiadiana ny sefom-pokontany ao Ampanalana dia vao roa volana izay no nipetraka tao amin’ny fokontany ireto mpivady nifamono ireto. Tsy mbola niteraka ireto mpivady fa zanaka ilay ramatoa amin’ny lehilahy roa samy hafa no notezain’izy ireo. Tsy tao an-trano ireo ankizy tamin’ny famoana nataom-badiny ilay ramatoa, ny alina ihany dia nitsoaka ilay rangahy saingy ny sabotsy maraina dia nitondra fiara hakana ny entana ilay rangahy, saingy noraisin’ny polisy fotsiny izy taorian’izay ary miandry ny fanadiadiana azy sy ny fiakaran’ny fampanoavana izy amin’izao.
Malala Didier