Randrianjatovo Santatra Nomena, 29 taona, nonina tao Moramanga tampon-tanana, adiresy nahitàna azy farany, no fantatra fa namoahan’ny zandary taratasy fampikarohana azy, ny alarobia teo. Raharaha herisetra niafara tamin’ny vono olona no antony hikarohana azy, hoy ny voalazan’ny taratasy ary ho fampiharana ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy, araka ny fanapahan-kevitry ny Fampanoavana : laharana 605-PR/22 tamin’ny 22 novambra 2022.
Raha ny fanazavana azo dia tranga efa tany amin’ny voalohandohan’ny volana novambra ny taona lasa teo ity raharaha navoarohirohy azy ity. Nisakaiza tamin’ny mpamily iray efa nanan-janaka ity vehivavy ity. Tamin’izay fotoana izay dia nisy fifamaliana teo amin’izy ireo ary niafara tamin’ny fahafatesan’ny ankilany izany. Rehefa nosamborina ity vehivavy ity tamin’io fotoana, nanaovana famotorana dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Tamin’izay anefa dia voalaza fa nahazo fahafahana vonjimaika izy, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Tsy nanaiky izany fanampahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana izany anefa ny fianakavian’ny maty ary nametraka fanoherana. Nandritra izay fotoana izay anefa dia efa dila ramatoakely. Nivoaka indray araka izany ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ny amin’ny tokony hametrahana azy any am-ponja vonjimaika, ny 22 novambra lasa teo io. Saingy hatramin’izao dia tsy hita tany nanjavonana izany vehivavy izany. Telo volana aty aoriana dia tsy mbola hita ilay olona voarohirohy. Antony hanaovana izao taratasy fampikarohana azy izao, araka ny fahazoan-dalàna nomen’ny Tonia mpampanoa lalàna, hoy hatrany ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana.
Ho an’ireo rehetra mahita azy na manam-bavao mahakasika ity vehivavy ity araka izany dia iangaviana mba hiantso avy hatrany ny tobim-paritry ny zandary ao Moramanga amin’ny laharana 034 05 701 33
m.L