- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversHerisetra nihatra tamin-jaza : Nosamborin’ny pôlisy ilay raim-pianakaviana namono ny zanany

Herisetra nihatra tamin-jaza : Nosamborin’ny pôlisy ilay raim-pianakaviana namono ny zanany

Raim-pianakaviana iray no voatery nosamborin’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona tetsy Anosy noho ny resaka  herisetra nataony tamin-janany.

Nisy fotoana, niely eraky ny tambazotra sosialy Facebook ny sarin’ankizy lahy kely vao enin-taona monja, nivonto tarehy sy nivoa-drà. Voalaza tamin’izay fa niharan’ny famonoana nihoam-pampana ity ankizy ity ary ny rainy ihany no nahavita nanao izany. Amin’izao fotoana izao dia tsy mitazam-potsiny ireny fanehoan-kevitra isan-karazany mandeha eny amin’ny tambazotra sosialy ireny ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa mitsimpona sy mandray andraikitra rehefa misy zavatra tsy mety.  Araka izany, hitan’ireo pôlisy teo anivon’ny zaza tsy ampy taona ity herisetra nianjady tamin-jaza ity ka nandray ny andraikiny izy ireo tamin’ny alalan’ny fanadihadiana. Fantatra tamin’izay fa monina eny amin’iny faritra Ankadindramamy ity zaza ity sy ny rainy ka nidinana teny. « Tonga teny an-tranon’ilay raim-pianakaviana ny Polisy saingy ireo zanany niharan’ny famonoana miaraka amin’ireo iray tampo amony no tratra tao. Noentin’ny Polisy nanaraka azy avokoa ireo zaza miisa 06 hiarovana ny ain’izy ireo. » hoy ny vaovao. « Tao anatin’ny fanadihadiana no nahalalana fa efa mikapoka azy ireo foana ity rainy ary tamin’ny vono farany nahazo ity zaza iray ity dia naratra ny masony, no sady mangana ny tarehiny sy ny vatany . Nisy ny fikasihan-tanana nahazo ilay zaza ary torana tsy nahatsiaro tena mihitsy ity farany ». Nanomboka teo ny fikarohana ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza, saingy tsy hita mihitsy ny nisy azy. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana rehetra dia fantatra ihany ka izao niafara tamin’ny fahatratrarana azy izao. Tamin’ny fakàna am-bavany ity raim-pianakaviana ity no niaikeny soa aman-tsara fa namono sy nidaroka io zanany io izy. Notazomina avy hatrany natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny pôlisy moa ity farany, mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Ilay zaza kosa dia efa nalefa notsaboina eny amin’ny tobim-pahasalamana.

« Tsara ny manamarika ho antsika ray aman-dreny fa tafiditra ao anatin’ny olona marefo ny zaza ary misy ny lalàna miaro sy mifehy azy ireny (…) Tsy midika akory izany hoe tsy azo hanarina ny zanantsika fa ilaina ny fomba fahaizana miteny sy mansazy azy mba tsy ho lasa famonoana azy indray ny fibedesana atao aminy » hoy ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici