Napetraka amin’ny akany i Cédric sy Stéphanie, ireo zaza mianadahy niharan’ny herisetra nataon’ny mpivady nitaiza azy ireo, teny Ambohijanaka. Izay no tapaky ny fitsarana ary tsy nampahafantarina ny anaran’ilay akany. Ny alatsinainy ho avy izao ilay reny niteraka azy mianadahy no miverina indray eny amin’ny Fitsaràna. Ho hita eo na haverina aminy ireo zaza na hajanona any amin’ny akany, raha ny fanazavana. Voalaza fa efa maty ny rain’izy mianadahy ireo, ary ilay reniny no nitaiza azy, ka natory an-dalana. Vehivavy iray teny Mahazo no nilaza tamin’ilay renim-pianakaviana fa mitady zaza hotezaina ny anadahiny. Napetraky ny reniny tany ireo zaza mianadahy noho izany. Loza anefa no niandry ireo zaza fa habibiana sy herisetra no nahazo azy ireo tamin’izany.
Voalaza fa fifampitokisana fotsiny ihany no nanomezan-deeniny azy mianadahy fa tsy nisy fifanarahana ara-dalàna. Kopiam-pahaterahana no fantatra fa nampiarahany tamin’ireo zanany.
Taorian’izay, ny « vidéo » niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy no nanaitra ny raiamandreniben’ireo zaza, ka teo vao nitady azy ireo. Niakatra fitsarana ny raharaha. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy sy Antanimora ireo mpivady nampijaly azy mianadahy.
Yv Sam